1Ireto no zanaka lahin’i Davida naterany tany Hebrôna: i Amôna lahy matoa, zanak’i Akinôama, avy any Jezraela, i Daniela zanak’i Abigaila avy any Karmela, lahy aivo,
2i Absalôma zanak’i Maakà, zanaka vavin’i Tolmaia mpanjakan’i Gesora, fahatelo; i Adoniasa zanak’i Hagita, fahefatra;
3i Safatiasa zanak’i Abitala, fahadimy; i Jetraama zanak’i Eglà vadiny, fahenina.
4Izy enin-dahy ireo no naterany tany Hebrôna, izay nanjakany fito taona sy enim-bolana.
(Jereo 1Tan 14,3-7; 2Sam 5,14-16)5Nanjaka tany Jerosalema 33 taona indray izy. Ary ireto no naterany tany Jerosalema: i Simaà, i Sôbaba, i Natàna, i Salômôna, efa-dahy, tamin’i Betsoe zanaka vavin’i Amiela;
6i Jebaara, i Elisamà, i Elifalela,
7i Nôge, i Nefega, i Jafia,
8i Elisamà, i Eliadà, i Elifeleta: sivy.
9Ireo no zanaka lahin’i Davida rehetra, fa ny zana-baditsindranony, tsy nisaina. Ary anabavin’ireo i Tamara.
Ireo mpanjakan’i Jodà10Zanaka lahin’i Salômôna: i Rôbôama; i Abiasa zanany, i Asà zanany, i Jôsafata zanany,
11i Jôrama zanany, i Okoziasa zanany, i Jôasa zanany,
12i Amaziasa zanany, i Azariasa zanany, i Joatama zanany,
13i Akaza zanany, i Ezekiasa zanany, i Manase zanany,
14i Amôna zanany, i Josiasa zanany.
15Zanaka lahin’i Josiasa: i Johanàna no lahy matoa, i Jôakima no lahy aivo, i Sedesiasa no fahatelo, i Seloma no fahefatra.
16Zanaka lahin’i Jôakima: i Jekôniasa zanany, i Sedesiasa zanany.
Ny taranaky ny mpanjaka taorian’ny sesitany17Zanaka lahin’i Jekôniasa: i Asira, i Salatiela zanany,
18i Melkirama, i Fadaia, i Senezera, i Jesemiasa, i Samà, ary i Nadabiasa.
19Zanaka lahin’i Fadaiasa: i Zôrôbabela sy i Semeià. Zanaka lahin’i Zôrôbabela: i Mosolama, i Hananiasa ary i Salômita, anabavin’ireo;
20ary i Hasabàna, i Ohala, i Barakiasa, i Hasadiasa, i Josabeseda, dimy izy.
21Zanaka lahin’i Hananiasa: i Faltiasa sy i Jeseiasa, ny zana-dRefaià, ny zanak’i Arnàna, ny zanak’i Obadià, ny zanak’i Sekeniasa.
22Zanaka lahin’i Sekeniasa: i Semeià. Zanaka lahin’i Semeià: i Hatosa, i Jegaala, i Barià, i Naarià, i Safata, enina izy.
23Zanaka lahin’i Naarià: i Eliôenaia, i Ezekiasa ary i Ezrikama, telo izy.
24Zanaka lahin’i Eliôenaia: i Odoià, i Eliasoba, i Feleià, i Akoba, i Johanàna, i Dalaià, ary i Ananì: fito izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.