Salamo 79 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 79 (Volgata 78)Fitarainan’ny firenena

1 Salamon’i Asafa.

Ry Andriamanitra ô, ibosesehan’ny firenena ny lovanao,

ka ny tempolinao masina nolotoiny;

i Jerosalema nataony korontam-bato;

2Ny fatin’ny mpanomponao, natolony hohanin’ny voromanidina,

ary ny nofon’ny mpino Anao ho an’ny bibin’ny tany.

3Nataony nandriaka, hoatra ny rano, ny rany,

manodidina an’i Jerosalema,

sady tsy nisy olona handevina azy ireo akory!

4Tonga fandàtsan’ny mpifanakaiky aminay izahay,

sady fihomehy amam-paneson’ny manodidina anay.

5Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hisafoaka hanontolo fo Ianao,

sy hirehetan’ny hatezeranao hoatra ny afo?

6Amparo amin’ny firenena tsy mahalala Anao ny hatezeranao,

sy amin’ny fanjakana tsy miantso ny Anaranao.

7Fa ireny no efa nandany an’i Jakôba,

sy nandrava ny fonenany.

8Aza dia tsarovana aminay ny heloky ny razanay,

ary aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantranao,

fa mihoa-pampana ny fahorianay.

9Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay,

noho ny voninahitry ny Anaranao.

10Nahoana ny firenena no dia hilaza hoe: «Aiza izay Andriamanitr’izy ireo?»

Aoka ho fantatra eo amin’ny firenena sy ho hitany maso,

ny valim-bonoana hamalianao ny fandatsahana ny ran’ny mpanomponao.

11Aoka hiakatra hatrany aminao ny fitarainan’ny voababo,

vonjeo araka ny herin-tsandrinao ireo efa mila ho faty.

12Azerao impito eo an-tratran’ireo mifanila toerana aminay,

ny fanaratsiana nafitsony Anao, Tompo ô!

13Ary izahay, vahoakanao, sy ondry amin’ny tanim-bilonao kosa,

dia hanome voninahitra Anao mandrakizay;

hitory ny fiderana Anao amin’ny taona mifandimby.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help