1Faminaniana ny amin’i Moaba.
Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy,
dia fongotra i Ara-Moâba.
Ny alina nandrobana azy,
i Kira-Moaba dia fongotra.
2Miakatra ho any an-tempolin’i Kamaosy sy any Dibôna ny olona,
eny amin’ny fitoerana avo mba higogogogo;
migogogogo ny amin’i Nebô sy i Medebà, i Moaba.
Ny loha mibory avokoa;
ny somotra voaharatra daholo.
3Eny an-dalam-be izy ireo mitafy lasàka;
eny ambony tafon-trano sy eny an-kianja izy,
minaonaona avokoa, mijoy ranomaso daholo.
4Mibadabada i Hesebona sy i Eleale;
re hatrany Jahasy ny feony.
Noho izany midradradradra ny mpiadin’i Moaba,
mangovitra ny fanahin’izy io.
5Ory an’i Moaba ny foko;
efa mby ao Segôra sahady ny mpiaro azy,
efa ao Eglata-Selisiah.
eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita;
eny amin’ny lalan’i Hôrônaima,
manao antsom-pahoriana ny olona.
6Satria ritra ny ranon’i Nimrima,
maina ny ahitra,
fongana ny ahi-maitso,
tsy misy intsony izay zava-maitso.
7Izay zavatra mba azony noraisina sy izay fitaovany,
dia entiny any an-dafin’ny lohasahan-driakan’ny Hazomalahelo.
8Fa efa re eran’ny faritanin’i Moaba ny fitarainana.
manako hatrany Eglaima ny finanananany,
tonga hatrany Beera-Elima ny finanananany.
9Satria feno ra ny ranon’i Dimôna.
Fa hampiavy tombon-doza amin’i Dimôna aho,
hampiavy liona ho amin’izay sisan’i Moaba,
dia amin’izay tavela ao amin’ny tany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.