1Ny mpisorona levitika, ny fokon’i Levì rehetra dia tsy mba hanana anjara na lova miaraka amin’i Israely, fa ny soron’i Iaveh atao amin’ny afo sy izay lova avy aminy no hiveloman’izy ireo.
2Tsy mba hanan-dova eo amin’ny rahalahiny izy, fa i Iaveh no lovany, araka ny efa voalazany tamin’izy ireo.
3Izao no anjaran’ny mpisorona avy amin’ny vahoaka amin’izay misorona omby na ondry: omena ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony ary ny vavoniny.
4Homenao azy koa ny santatry ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao ary ny santatry ny volon’ondrinao;
5satria izy no voafidin’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’ny fokonao rehetra, hitoetra eo anatrehan’i Iaveh sy hanao ny fanompoana amin’ny Anaran’i Iaveh, dia izy sy ny zanany mandrakizay.
6Raha misy Levita miala amin’ny anankiray amin’ny tanànanao, amin’izay fitoerana onenany ao amin’i Israely na aiza na aiza, ka tonga araka ny fanirian’ny fony amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh,
7sy manao fanompoana amin’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny, toraky ny rahalahiny rehetra, ny Levita, izay mitoetra eo anatrehan’i Iaveh,
8dia hanana anjara fivelomana toraky ny an’ireo koa izy, afa-tsy izay azony amin’ny fivarotana ny anjara lovany.
Ny mpaminany9Rehefa tafiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra maka tahaka ny fahavetavetan’ireo firenena ireo.
10Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody,
11mila hevitra amin’ny mpamoha angatra sy amin’ny mpamosavy ary manontany ny maty;
12fa halan’i Iaveh ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao ireo firenena ireo eo anoloanao.
13Aoka ho marina tanteraka amin’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
14Fa ireo firenena horoahinao no mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy, fa ianao kosa tsy avelan’i Iaveh Andriamanitrao hanao izany.
15Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, i Iaveh Andriamanitrao; hohenoinareo izy.
16Izany no nangatahinao tamin’i Iaveh Andriamanitrao tany Horeba, tamin’ny andro nivoriana, nataonao hoe: Aoka tsy ho ny feon’i Iaveh Andriamanitro intsony no ho henoko, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.
17Dia hoy i Iaveh tamiko: Tsara ny voalazan’izy ireo.
18Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.
19Ka raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny Anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin’izany.
20Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany.
21Ary raha ianao hanao anakam-po hoe: Ahoana no hahalalantsika izay teny tsy nolazain’i Iaveh?
22Rehefa miteny amin’ny Anaran’i Iaveh ny mpaminany, nefa tsy tonga, ary tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia izany no teny tsy nolazain’i Iaveh: fiavonavonana no nilazan’ny mpaminany izany; aza matahotra azy ianao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.