Osea 7 - Malagasy Catholic Bible

1Fony Aho nitady hanasitrana an’i Israely

no nihariharian’ny haratsian’i Efraima

sy ny haratsiam-panahin’i Samaria:

fa ny lainga ataony fanao;

ny mpangalatra miditra an-trano,

ny jiolahy mikarenjy eny ivelany.

2Ary izy ireo tsy misaintsaina akory ao am-pony

fa tsarovako avokoa ny faharatsiany.

Ankehitriny manodidina azy ny heloka be vava nataony,

dia indreo izy eo anatrehako.

Fiokoana

3Ny mpanjaka, falifaliany amin’ny haratsiany;

ary ny mpifehy amin’ny laingany.

4Izy rehetra mpaka vadin’olona avokoa,

hoatra ny fatana nampirehetin’ny mpanao mofo afo,

izay mitsahatra tsy misorona afo,

hatramin’ny nametafetany ny koba ka mandra-pivontony.

5Amin’ny andron’ny mpanjakantsika,

ny mpanapaka mankarary tena amin’ny hafanan’ny divay;

niara-naninji-tanana tamin’ny mpananihany izy io.

6Fa tamin’ny firaisan-tetik’izy ireo,

nataony toy ny ao anaty fatana ny fony;

ka ny mpanao mofony natory mandritra ny alina,

ary nony maraina nirehitra hoatra ny lelafo midedadeda.

7Mahamay hoatra ny fatana avokoa izy rehetra,

ka ny mpitsara azy no levoniny.

Ny mpanjakany lavo avokoa,

tsy nisy niantso Ahy anefa izy rehetra.

Voa i Israely niantso ny hafa firenena

8Mifangaro amin’ireo firenena i Efraima,

hoatra ny mofomamy tsy voavadika i Efraima.

9Levon’ny hafa firenena ny heriny,

nefa tsy fantany akory izany;

efa mipi-bolo ny lohany,

nefa tsy fantany akory izany.

10Mitsangan-ko vavolombelona miampanga azy ny avonavon’i Efraima:

tsy miverina amin’i Iaveh Andriamaniny anefa izy ireo,

na mitady Azy, na dia izany rehetra izany aza.

11I Efraima tonga hoatra ny domohina,

adaladala tsy misy saina;

miantso an’i Ejipta, mankany Asiria.

12Amin’ilay mankany iny izy ireo,

Izaho kosa mamelatra eo amboniny ny fandrika haratoko;

dia hataoko latsaka toy ny voromanidina izy,

ary hamay azy, araka ny efa voalaza rahateo teo amin’ny fiangonany.

Tsy mahay mankasitraka i Israely ka voasazy

13Loza ho an’ireny, fa nandositra lavitra Ahy izy!

Hanjò azy anie ny faharavana satria nivadika tamiko!

Raha Izaho, dia mba te hamonjy azy ireo Aho,

fa izy kosa milaza lainga hamelezana Ahy.

14Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy,

raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny.

Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao,

nefa Izaho iambohoany.

15Izaho nampianatra azy sy nankahery ny sandriny;

Izy ireo kosa misaintsain-dratsy hanoherana Ahy.

16Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony;

manahaka ny tsipìka mivaona:

ho lavon’ny sabatra ny mpifehy azy,

noho ny fisafoaky ny lelany;

ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help