1Dia niteny i Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:
2«Rahoviana ihany vao taperinao izany teny izany?
Manàna saina aloha ianao vao miresaka isika.
3Nahoana ianao no dia mihevitra anay ho biby foana,
fa ataonao ho donàna velona eo imasonao va izahay?
4Ianao izay mamiravira tena amin’ny hatezerana indray,
noho ny aminao ve, dia tianao ho lao ny tany,
ary hafindra toerana ny vatolampy?
5Eny, ny ratsy fanahy dia ho faty ny fanilony,
tsy hazava intsony ny afo eo am-patany,
6hanjòmbona ny andro eo an-dainy,
ho faty ny jirony eo amboniny.
7Izy efa mafy famindra dia ho voatery ny diany,
hafainganin’ny saim-pantany ny fahalavoany.
8Afatratry ny tongony amin’ny harato izy;
mandia fandrika izy.
9Azon’ny fandrika ny ombalahitongony,
voatanan’ny tadivavarana izy.
10Ny fandrika harato miafina ao ambanin’ny tany hahavoa azy,
ary longoa mitoto-bozaka no eny an-dalan-kalehany.
11Manodidina azy hatraiza hatraiza ny fampitahorana,
sady manenjika azy hatrany hatrany.
12Ny mosary dia anjara saziny,
ary ny faharinganana dia vonon-ko amin’izay hahalavoany.
13Lany ny hoditry ny rantsam-batany;
lanin’ny lahy matoan’ny fahafatesana ny rantsam-batany.
14Tsoahany izy hiala ao an-dainy,
izay nitokiany handriana feizay,
ka tarihina ho any amin’ilay Mpanjakan’ny fampitahorana.
15Tsy misy monina eo an-dainy ny ankohonany;
nofafazana solifara ny fonenany.
16Ao ambany izy maim-paka,
eo ambony kosa tapa-drantsana.
17Ny fahatsiarovana azy, foana amin’ny tany;
efa very anarana amin’ny faritany izy.
18Roahina hiala amin’ny mazava izy, ho ao amin’ny maizina,
ary esorina hiala amin’izao tontolo izao.
19Tsy mamela fara aman-dimby amin’ny fokony izy;
ary tsy misy velona ny ao amin’ny fonenany.
20Ny firenena andrefana, talanjona amin’ny faharavàny;
ny Tatsinanana koa raiki-tahotra amin’izany.
21Toy izany no fonenan’ny tsy mivavaka;
toy izany no fitoeran’ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra».
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.