1Nekeko hotadiavin’izay tsy nangataka ahy aho,
nety ho hitan’ireo tsy nitady ahy aho;
Hoy aho: «Inty aho, Inty aho!»
tamin’ny firenena izay tsy nitondra ny anarako.
2Namela-tanana tontolo andro aho,
mankamin’ny vahoaka niodina,
mankamin’ireo mizotra amin’ny lalan-dratsy,
araka izay sitraky ny sainy;
mankamin’ny vahoaka mihaika ahy,
3tsy an-kijanona sy manatrika,
izay manao sorona eny amin’ny zaridaina,
mandoro emboka eny ambony biriky;
4mitoetra any anaty fasana,
ary mandany ny alina any am-pierena,
mihinana hena kisoa,
mbamin’ny hanina maloto eo an-doviany;
5manao hoe: «Mihataha ianao!
Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho!»
Ireny dia setroka eo am-bavoroko,
afo mirehitra mandrakariva.
6Indro fa voasoratra eo anatrehako:
Tsy hangina aho mandra-pamaliko,
mandra-pamaliko ao an-tratran’ireny,
7ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo,
hoy i Iaveh,
ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra,
sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana;
hafatrako ao an-tratrany,
ny valin’ny fitondran-tena nataony.
8Izao no lazain’i Iaveh:
Raha misy ranom-boaloboka eo amin’ny sampahony,
dia hoy ny olona mahita azy: «Aza simbàna,
fa misy fitahiana ao;»
toy izany koa no hataoko, noho ny amin’ny mpanompoko,
mba tsy handrava azy rehetra.
9Hamoaka taranaka avy amin’i Jakôba Aho,
sy mpandova ny tendrombohitro, avy amin’i Jodà,
ka ny voafidiko no hahazo azy,
ary ny mpanompoko no honina eo.
10Ary i Sarôna no hatao vala ho an’ny ondry,
ary ny lohasahan’i Akora no hatao tany fiandrasana omby,
ho an’ny oloko, izay nitady Ahy.
11Fa ianareo kosa izay nahafoy an’i Iaveh,
sy nanadino ny tendrombohitro masina,
fa mamela-databatra ho an’i Gada,
ary mameno kapoaka ho an’i Menì,
12atolotro ho an’ny sabatra ianareo,
ka hiondrika hovonoina avokoa.
Satria miantso Aho, tsy novalianareo,
niteny Aho, fa tsy nohenoinareo;
fa izay ratsy eo imasoko no nataonareo,
ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo:
Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo ho noana;
ny mpanompoko hisotro, fa ianareo hangetaheta.
Ny mpanompoko hiravoravo, fa ianareo hangaihay;
14ny mpanompoko hihira noho ny hafalian’ny fony,
ianareo kosa hikiakiaka noho ny fahorian’ny fonareo;
sy hidradradradra noho ny fangitakitaky ny fanahinareo;
15ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko;
ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo;
fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.
16Na iza na iza te-hotahina eto an-tany,
dia hitady hotahin’ny Andriamanitry ny fahamarinana;
ary na iza na iza hianiana eto an-tany,
hianiana amin’ny Andriamanitry ny fahamarinana.
Fa ny fahoriana taloha hohadinoina,
sy ho lasa tsy ho hitan’ny maso intsony.
17Fa indro mahary lanitra vaovao
sy tany vaovao Aho,
ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony,
na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18Aoka hifaly kosa ianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay,
noho izay efa hoarîko:
fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana,
sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.
19Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho,
sy ho ravoravo amin’ny vahoakako.
Ka tsy misy ho re ao intsony,
na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.
20Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana,
na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny;
fa mbola maty tanora ihany ny maty amin’ny fahazato taonany,
ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.
21Hanao trano izy, dia izy no honina ao;
hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.
22Fa tsy hanao trano honenan’ny hafa izy,
na hamboly hihinanan’ny sasany.
Fa hanahaka ny an’ny hazo ny andron’ny oloko;
ary hahatonta ny asan’ny tanany ireo voafidiko.
23Tsy hanasa-tena foana intsony izy;
na hiteraka ho faty tampoka foana;
fa ho taranaka ambinin’i Iaveh izy ireo
mbamin’ny solofony miaraka aminy.
24Alohan’ny hiantsoany dia hamaly aho;
mbola hiteny izy, dia efa ekeko ny teniny.
25Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-miraotra vilona,
ny menarana hihinam-bovoka;
ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby;
ary ny tany no hiveloman’ny bibilava.
Ary tsy hisy ratsy na fanimbana hatao,
eo amin’ny tendrombohitro masina manontolo, hoy i Iaveh.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.