1Nony niverina soa aman-tsara ho any an-tranony ao Jerosalema i Jôsafata mpanjakan’i Jodà,
2dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.
3Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin’ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra ianao.»
Ny natao hampielezana ny Iavisma4Nitoetra tao Jerosalema i Jôsafata ary noteteziny indray ny vahoaka, hatrany Bersabea, ka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, dia nampivereniny amin’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
5Nanendry mpitsara amin’ny tany izy, amin’ny tanàna mimanda, amin’i Jodà, isan-tanàna.
6Ka nilaza tamin’ny mpitsara izy nanao hoe: «Tandremo izay hataonareo, fa tsy ho an’olombelona no hitsaranareo, fa ho an’i Iaveh; izy no homba anareo rehefa mitsara ianareo.
7Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an’i Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin’i Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly.»
8Tao Jerosalema koa, rehefa tafaverina tao amin’io tanàna io izy ireo, dia nanendry Levita sy mpisorona ary loham-pianakaviana amin’i Israely, i Jôsafata, ho amin’ny fitsaràn’i Iaveh sy ny adin’olona.
9Ka nanome didy izy nanao hoe: «Hataonareo amim-pahatahorana an’i Iaveh izany sy amim-pahamarinana ary amin’ny fo mahitsy.
10Amin’ny ady rehetra entin’ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin’ny momba ny fanavahana ny vonoana olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin’i Iaveh sy tsy hiharan’ny fahatezerany aminareo sy amin’ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
11Indro i Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin’ny raharahan’i Iaveh rehetra; ary i Zabadiasa zanak’i Ismaely mpanapaka ny taranak’i Jodà, amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manamboninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie i Iaveh.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.