1Noho ny amin’i Siôna tsy hangina aho,
ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho,
mandra-piposaky ny fahamarinany,
hoatra ny hazavan’ny maraina;
sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny,
hoatra ny fanilo.
2Hahita ny fahamarinanao ny firenena,
hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra,
ka hantsoina amin’ny anaram-baovao ianao,
izay hofidin’ny vavan’i Iaveh.
3Ho satroboninahitra eo an-tanan’i Iaveh ianao,
sy ho hamàman’andriana, eo an-tanan’ny Andriamanitsika.
4Tsy hisy intsony hanao anao hoe «i Nafoy»;
ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe «i Faharinganana.»
Fa ny hiantsoana anao dia hoe «I Ankasitrahiko»;
ary ny taninao «i Vady ampakarina».
Satria i Iaveh hankasitraka anao;
ary ny taninao hahazo vady.
5Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny,
no hampakaran’ny zanakao anao;
ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra,
no hamalifalianao ny Andriamanitrao.
6Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema,
no efa nametrahako mpiambina;
ka tsy hangina intsony ireny,
na andro na alina.
7O ry zareo mpampahatsiaro an’i Iaveh ô,
aza mitsahatra ianareo;
ary aza avelanareo hitsahatra Izy,
mandra-panangany an’i Jerosalema indray,
sy mandra-panaony azy ho fideran’ny tany.
8I Iaveh efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana
sy tamin’ny sandriny mahery hoe:
«Ny varinao tsy homeko
hohanin’ny fahavalonao intsony,
ary tsy hosotroin’ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao,
vokatry ny fisasaranao.
9Fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy,
ka hidera an’i Iaveh;
ary izay hioty ny voam-boaloboka ihany no hisotro azy,
eo amin’ny kianjan’ny fitoerako masina».
10Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo,
areno ny lalan’ny vahoaka.
Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy;
manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.
11Izao no nambaran’i Iaveh,
hatrany amin’ny faran’ny tany:
«Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe:
Indro, avy ny Mpamonjy anao;
ny valisoa homeny efa eny aminy;
ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.
12Izy ireo hantsoina hoe: ‹Firenena masina,›
‹Ny navotan’i Iaveh›;
ary ianao kosa hantsoina hoe: ‹Ilay irina›,
‹Tanàna tsy foy› ».
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.