Jôba 32 - Malagasy Catholic Bible

3. IREO LAHATENIN’I ELIÒTeny fanelanelanana nataon’i Eliò.

1Dia nitsahatra tsy namaly an’i Jôba intsony izy telo lahy ireo, satria nihombo tamin’ny fanaovana ny tenany ho marina izy io.

2Fa nirehitra tamin’izay kosa ny fahatezeran’i Eliò, zanak’i Barakely, Bozita, fokon’i Rama. Nirehitra tamin’i Jôba ny fahatezerany, satria io nihambo ho marina noho Andriamanitra.

3Nirehitra tamin’izy telo lahy sakaizany koa ny fahatezerany, satria tsy nahita teny tsara havaly azy izy ireo.

4Noho ny maha-zokiny azy ireo, dia niandry i Eliò, vao niteny tamin’i Jôba.

5Nony hitany anefa, fa tsy misy valy intsony eo am-bavan’ireto sakaizany telo lahy, dia nirehitra ny hatezerany.

6Tamin’izay, dia niteny i Eliò, zanak’i Barakely, Bozita, ka nanao hoe:

Sava ranonando

«Izaho vao tanora, ianareo efa anti-panahy;

ka izany no natahorako, tsy nahasahiako

ny hampahalala anareo izay mba hevitro.

7Hoy aho anakampo: ‹Hiteny ireo be andro,

hanambara ny fahendrena ny hamaroan’ny taona›.

8Kanefa ny fanahy napetraka ao anatin’ny olombelona,

dia ny fofon’ain’ny Tsitoha no manome ny fahazavan-tsaina.

9Fa tsy ny taona no mampahazo ny fahendrena,

tsy ny fahanterana no hahalalana ny rariny.

10Koa izao no lazaiko, mihainoa ahy;

fa izaho koa mba hanambara ny hevitro.

11Raha mbola niteny ianareo, dia niandry aho;

nampandry sofina tamin’ny porofo nalahatrareo aho,

mandra-pahatapitry ny fifandaharanareo.

12Narahiko saina mitandrina ny anareo,

ary tsy naharesy lahatra an’i Jôba ianareo;

tsy nisy nahatohitra ny teniny ianareo.

13Aza manao hoe: ‹Nahita ny fahendrena izahay,

Andriamanitra no mamely azy, fa tsy olombelona›.

14Tsy mba hamely ahy no nanononany ny lahateniny;

nefa tsy mba ny teninareo no hamaliako azy.

15Indreo, very hevitra izy ireo, ka tsy mamaly akory;

tsy mahita teny halahatra intsony.

16Nandrasako izay hahataperan’ny teniny,

izay hijanonany tsy miteny, tsy manan-kavaly.

17Ka dia mba anjarako kosa izao ny miteny,

fa mba te-hilaza izay hevitro kosa aho.

18Feno lahateny aho,

ka asesiky ny fanahy ato anatiko aho.

19Efa toy ny divay voatsentsina ny foko,

dia tahaka ny siny hoditra feno divay mila hipoaka.

20Ka aoka hiteny aho, mba hisy hiainako malalaka;

aoka hisokatra ny molotro mba hamaliako.

21Tsy mba hizaha tavan’olona aho,

na handoka olona na iza na iza;

22fa tsy mba mahay mandoka;

fa raha tsy izany dia halain’ny Mpahary ahy, eo no ho eo ihany aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help