1Nony ren’ny fahavalon’i Jodà sy i Benjamina fa hoe manao tempoly ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny zanaky ny fahababoana,
2dia nanatona an’i Zôrôbabela sy ny loham-pianakaviana izy, ka nanao taminy hoe: «Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa manaja ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany, sady manatitra sorona ho Azy hatramin’ny andron’i Asarhadôna mpanjakan’i Asiria, izay nampiakatra anay ho atỳ.»
3Fa namaly azy kosa i Zôrôbabela sy i Jôsoe mbamin’ireo namany loham-pianakavian’i Israely nanao hoe: «Tsy mety raha izahay sy ianareo no miara-manao ny tranon’Andriamanitray, fa izahay ihany no hanao azy, ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, araka ny voadidin’ny mpanjaka, dia i Sirosa mpanjakan’i Persa.»
4Tamin’izay, ny tompon-tany dia nanao izay hampiraviravy tanana ny vahoakan’i Jodà, nampatahotahotra azy amin’ny asany.
5Ary azony tamim-bola hamely azy aza ny mpanolo-tsaina sasany, mba tsy hahavanona ny asany. Ary izany dia naharitra nandritra ny andron’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, ka hatramin’ny andro nanjakan’i Dariosa, mpanjakan’i Persa.
Voasakana ny Samaritanina faha-Kserksesa sy Artakserksesa6Ary tamin’ny andro nanjakan’i Asoerosa, tamin’ny fiandohan’ny fanjakany, dia nanoratra taratasy fitoriana ny mponina tany Jodà sy i Jerosalema izy ireo.
7Ary tamin’ny andron’i Artakserksesa, i Beselama, i Mitridata, i Tabeela, mbamin’ireo namany sisa, dia nanoratra ho any amin’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa; tarehin-tsoratra arameanina no nanoratany ny taratasy, ary nadikany ho fiteny arameanina.
8I Rehoma governora sy i Samsaì mpanoratra, nanoratra ho any amin’i Artakserksesa, nilaza ny amin’i Jerosalema, ka toy izao no teny ao amin’ny taratasy:
9«I Rehoma governora, i Samsaì mpanoratra, mbamin’ny namany sisa, ny avy any Dina, Afarsatàka, Terfala, Afarsà, Erkkoà, Babilôna, Sosa, Dehà, Elama,
10ary ny vahoaka sisa, izay nentin’i Asnafara, lehibe sady malaza, nafindrany sy namponeniny ao an-tanànan’i Samaria sy amin’ny tany sasany atỳ an-dafin’ny ony, sns.»
11Izao no kôpian’ny taratasy nampitondrainy an’i Artakserksesa mpanjaka:
Ny mpanomponao, ny olona atỳ an-dafin’ny ony, sns.
12Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa ny Jody avy any aminao, nankatỳ aminay, dia tonga tatỳ Jerosalema, ka namboatra ilay tanàna fikomiana sady ratsy, ka efa manao ny mandany sy mamboatra ny fototra izy izao.
13Ary aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa raha voamboatra io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy handoa hetra intsony izy ireo, na haba, na sara, ka dia faty antoka ho an’ny mpanjaka no ho vokatr’izany.
14Noho izahay mihinana ny sira avy any an-dapa anefa, sady heverinay fa tsy mety raha tsiratsiraina eo imasonay ny mpanjaka, dia nandefa ny filazana izany amin’ny mpanjaka izahay.
15Aoka hokarohina ao amin’ny boky tantaran-drazanao, fa ho hitanao ao amin’ny bokin’ny tantara, ary ho fantatrao, fa tanàna fikomiana sy efa namohehatra ny mpanjaka sy faritra maro io tanàna io, sady efa fitrangàm-pikomiana hatry ny andro taloha. Ary izany ihany no nandravana io tanàna io.
16Ka nampahalala ny mpanjaka izahay, fa raha voavoatra indray io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy hanana na inona na inona atỳ an-dafin’ny ony intsony ianao, amin’izany.
17Izao no valy nalefan’ny mpanjaka ho an-dRehoma governora, i Samsaì mpanoratra, mbamin’ny namany sisa, monina ao Samaria sy amin’ny tanàna hafa any an-dafin’ny ony: Arahaba, sns.
18Efa voavaky mazava teo anatrehako ny taratasy nampitondrainareo.
19Ary efa nanome didy aho, ka dia efa nokarohina, ary hita fa efa nikomy tamin’ny mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, sady efa nitrangàm-pikomiana amam-piodinana.
20Efa nisy mpanjaka mahery tany Jerosalema, nanapaka ny tany rehetra any an-dafin’ny ony, sady nandoavana hetra, haba, sara.
21Noho izany, didio hatsahatra ny asan’ireo olona ireo, fa tsy haorina indray io tanàna io, raha tsy efa nahazo teny avy atỳ amiko ny amin’izany.
22Tandremo manao tsirambina amin’izany ianareo, ka mandroso ny ratsy hahafaty antoka ny mpanjaka.
23Vantany vao voavaky teo anatrehan-dRehoma, i Samsaì, mpanoratra, ary ireo namany, ny kôpian’ny taratasin’i Artakserksesa mpanjaka, dia nankany amin’ny Jody tany Jerosalema faingana izy, ka nasainy natsahatra an-keriny sy an-ditra ny asa.
Naorina ny Tempoly (520-515)24Ka dia natsahatra ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema; ary naato teo izy, hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjakan’i Persa.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.