Levitika 1 - Malagasy Catholic Bible

1 FOMBA FANAOVANA NY SORONANy sorona dorana

1Ary i Iaveh niantso an’i Môizy ka niteny taminy tao an-trano lay fihaonana, nanao hoe:

2Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo hanao fanatitra amin’i Iaveh dia biby fiompy no ataovy, na ny vaventy na ny madinika.

3Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.

4Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.

5Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.

6Endahana ny sorona dorana dia raisina ho didiny.

7Ary hanisy afo eo ambony ôtely ny zanak’i Aarôna mpisorona sy hanohoka kitay hazo eo ambonin’ny afo;

8izay vao halahatry ny mpisorona zanak’i Aarôna eo ambonin’ny kitay hazo, eo amin’ny afo, ny didin-kena mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra.

9Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

10Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,

11dia hovonoiny izy io eo amin’ny lafiny avaratry ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny mpisorona zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo ambonin’ny ôtely.

12Horasaina araka ny didiny izy, mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra, dia halahatry ny mpisorona eo ambony kitay hazo voatohoka eo amin’ny afon’ny ôtely.

13Hosasany amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

14Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin’i Iaveh, dia domohina na vanto-boromahailala no hateriny.

15Hoentin’ny mpisorona eo amin’ny ôtely ny vorona, ka hofolahiny amin’ny hohony ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely, ary hofiazany amin’ny rindrin’ny ôtely ny rany.

16Hoesoriny ny takorobabony mbamin’izay rehetra maloto eo aminy, dia hariana eo akaikin’ny ôtely amin’ny atsinanany, eo amin’ny fitoeran-davenona.

17Izay vao hosamahiny amin’ny elany ny vorona, tsy hatao hentitra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny kitay hazo voatohoka amin’ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help