Amôsy 5 - Malagasy Catholic Bible

Fitomaniana an’i Israely

1Henoinareo izao teny izao,

izay tononiko ny amin’ny momba anareo,

- hira fitomaniana, - ry taranak’i Israely:

2Efa lavo, efa tsy hahatsangana intsony,

ilay virjinin’i Israely!

Mitsingàdina amin’ny tany izy,

ary tsy hisy hanarina azy.

3Fa izao no lazain’i Iaveh:

Ny tanàna namoaka arivo lahy hiantafika,

dia hitana zato lahy;

ary izay namoaka zato lahy hiantafika,

dia hitana folo lahy ho an’ny taranak’i Israely.

Raha tsy mibebaka tsy voavonjy

4Fa izao lazain’i Iaveh, amin’ny taranak’i Israely:

Tadiavo Aho, dia velomy ianareo.

5Aza mitady an’i Betela, aza mankany Galgalà,

aza miampita ho any Bersabea!

Fa i Galgalà ho lasan-ko babo;

ary i Betela hanjary tsinontsinona.

6Tadiavo i Iaveh, dia velomy ianareo,

fandrao milatsaka, toy ny afo, amin’ny taranak’i Josefa izy,

ka handevona azy, nefa tsy hanana olona handevona izany, i Betela.

7Ovany ho abisinta ny hitsiny,

ary azerany amin’ny tany ny rariny!

Fiderana an’Andriamanitra(Jereo Am 4,13)

8Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy;

mampody ho maraina ny haizina,

ary ny andro ho alim-pito;

miantso ny rano ao an-damosina,

dia mampiely azy eo ambonin’ny tany;

Iaveh no anarany.

Fandrahonana

9Ataony mipoaka ny faharavana mamely ny mahery,

ary mianjera amin’ny tanàna mimanda ny fandravana.

10Mankahala eo am-bavahady izay mananatra izy ireo;

ary tsy tia mainty an’izay miteny amim-pahamarinana.

11Koa noho ianareo manitsakitsaka ny mahantra,

sy mampandoa hetram-bary azy;

dia nanao trano vato voapaika ianareo,

nefa tsy hitoetra ao aminy;

namboly voaloboka faran’izay tsara ianareo,

nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

12Fa fantatro fa maro ny helokareo

ary lehibe ny fahotanareo,

ianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly,

ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.

13Koa dia mangina ny olon-kendry amin’izao andro izao,

satria andro ratsy izao.

Famporisihana

14Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy,

mba ho velona ianareo,

ka homba anareo i Iaveh Andriamanitry ny tafika,

araka ny lazainareo.

15Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo,

ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny;

angamba i Iaveh Andriamanitry ny tafika,

dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa!

Akaiky ny famaizana

16Koa izao no lazain’i Iaveh,

ny Andriamanitry ny tafika, ny Tompo:

Hisy hidradradradra eny amin’ny kianja rehetra eny:

hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! eny an-dalambe rehetra eny;

hisy hiantso ny mpiasa hisaona,

sy higogogogo, miaraka amin’izay mahay midridridridry.

17Hitomany ny olona eo amin’ny tanimboaloboka rehetra:

fa handalo eo afovoanao Aho, hoy i Iaveh.

Ny andron’i Iaveh

18Loza ho an’izay maniry ny andron’i Iaveh!

ho inona ho anareo moa, ny andron’i Iaveh?

Ho haizina izy, fa tsy ho fahazavana.

19Toy ny olona mandositra ny liona,

nefa tonga mitsena azy kosa ny orsa;

miditra ao an-tranony izy, mitehin-tanana amin’ny rindrina

dia kaikerin’ny menarana!...

20Moa tsy haizina va ny andron’i Iaveh fa tsy fahazavana,

haizina tsy misy mangirana?

Tsy ankasitrahina ny fombam-pivavahana ivelany

21Hàlako sy tsy ahoako akory izay fetinareo,

tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo.

22Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo

tsy mankatelina izany Aho;

ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy

tsy jereko velively.

23Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo;

aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo!

24Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana;

ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana!

25Moa nanatitra sorona amam-panatitra ho Ahy va ianareo,

ry taranak’i Israely, nandritra ny efapolo taona tany an’efitra?

26Ny lain’ny mpanjakanareo no nolanjainareo,

mbamin’i Kijoma, ny sampinareo,

aman-kintan’ny andriamanitrareo,

izay nataonareo ho anareo;

27koa hoentiko hatao sesitany ambadik’i Damasy ianareo, hoy i Iaveh:

Andriamanitry ny tafika no Anarany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help