Mpit 6 - Malagasy Catholic Bible

1Misy ratsy hitako atỳ ambany masoandro;

sady mavesatra amin’ny olombelona izany ratsy izany:

2Misy olona nomen’Andriamanitra

vola aman-karena sy voninahitra,

ka tsy misy tsy ananany,

rehefa mety ho zavatra irin’ny fanahiny;

nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hiarana amin’izany izy,

fa olon-kafa no miarana amin’izany.

Zava-poana amam-pahoriana mavesatra koa izany.

3Na dia manan-janaka zato lahy aza ity olona anankiray

sady ela velona taona maro izy,

ary nihamaro ny andron’ny taonany,

raha tsy voky hasambarana ny fanahiny,

ary tsy nahazo levenana akory ny tenany,

dia sambatra noho izy, ny tsy tonga volana, hoy aho.

4Satria foana ny nahatongavany,

amin’ny maizina no ahalasanany;

ho voasaron’ny haizina ny anarany;

5tsy hitany na fantany akory izay masoandro;

be fialan-tsasatra izy noho ilay olona.

6Ka na ho velona roa arivo taona aza izy

nefa tsy miarana amin’ny fahasambarana,

tsy samy ho any amin’ny fitoerana iray ihany va ny zava-drehetra?

7Ny asan’ny olombelona dia ho an’ny vavany avokoa,

nefa ny faniriany tsy mety afa-po na oviana na oviana.

8Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny an’ny adala?

inona no soa azon’ny mahantra mahay mitondra tena eo imason’ny velona?

9Aleo ny hita maso,

toy izay ny firedireden’ny faniriana.

Zava-poana amam-panenjehan-drivotra ihany koa izany.

10Ny zavatra tonga rehetra, dia efa voatondro anarana rahateo;

fantatra ihany izay ho toetry ny olona;

ary tsy mahazo mifandahatra amin’izay mahery noho izy izy.

11Fa betsaka ny teny izay mampitombo ny zava-poana fotsiny:

ka inona no soa azon’ny olona amin’izany?

12Satria, iza tokoa moa no mahalala,

izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity;

dia amin’izao andro foana iainany izao,

izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka?

Ary zovy no mahalaza amin’ny olona,

izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help