1Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby amin’ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady, dia nalefan’i Davida i Jôaba mbamin’ny mpanompony sy i Israely rehetra, ka nofongaran’ireo ny taranak’i Amôna, ary nataony fahirano i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
2Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriana iny i Davida ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy erỳ ravehivavy io.
3Nasain’i Davida nanontaniana hoe: «Iza io vehivavy io?» ka izao no nolazain’ny olona azy: «Io no Betsabea, zanaka vavin’i Eliama, vadin’i Oria, Heteanina.»
4Dia naniraka olona haka azy i Davida ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy. Nandio tena ho afaka amin’ny halotoany ravehivavy, dia nody tany an-tranony,
5kanjo nanana anaka ravehivavy, ka naniraka hilaza amin’i Davida hoe: «Manana anaka aho.»
6Tamin’izay, naniraka tany amin’i Jôaba i Davida handidy azy hoe: «Alefaso hankatỳ amiko i Oria Heteanina.» Dia nalefan’i Jôaba hankany amin’i Davida i Oria.
7Ka nony tonga tany amin’i Davida i Oria, dia nanontaniany ny vaovao momba an’i Jôaba sy ny tafika ary ny ady.
8Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe: «Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao.» Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;
9Nefa niara-nandry tamin’ny mpanompon’ny tompony i Oria, teo am-baravaran’ny tranon’andriana, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
10Nolazaina tamin’i Davida izany, natao hoe: «Tsy nidina nody any an-tranony i Oria.» Ka hoy i Davida tamin’i Oria: «Moa tsy tonga avy amin’ny dia ianao? Nahoana no tsy nidina nody any an-tranonao?»
11Dia hoy ny navalin’i Oria tamin’i Davida: «Ny Fiara sy i Israely mbamin’i Jodà, mitoetra an-day; i Jôaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko, mitoby any an-tsaha foana, ary izaho ve dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Marina amin’ny ainao sy ny ain’ny fanahinao raha hanao izany aho!»
12Ary hoy i Davida tamin’i Oria: «Mitoera ihany àry atỳ amiko; fa rahampitso dia halefako ianao.» Dia nitoetra tany Jerosalema ihany i Oria androtr’izay sy ny ampitson’izay.
13Nasain’i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny. Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin’ny fandriany, teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany i Oria, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
14Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin’i Jôaba i Davida ka tanan’i Oria no nampitondrainy azy.
15Izao no nosoratany tamin’ny taratasy: «Apetraho amin’izay toerana iadiana mafy indrindra i Oria, dia mihataha avy eo aoriany ianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy.»
16Nanao fahirano ny tanàna i Jôaba ka napetrany tamin’ny toerana fantany ho nisy ny lehilahy mahery indrindra i Oria.
17Nivoaka hamely an’i Jôaba ny olona tao an-tanàna, ka maro tamin’ny vahoaka, tamin’ny mpanompon’i Davida no maty; ary maty koa i Oria, Heteanina.
18Dia naniraka hilaza ny toetry ny ady any amin’i Davida i Jôaba;
19ary ny iraka dia nomeny didy hoe: «Rehefa vita ny fitantaranao amin’ny mpanjaka ny toetry ny ady, raha misondrotra ny hatezeran’ny mpanjaka ka milaza aminao hoe:
20Ahoana no nanakaikezanareo ny tanàna toy izany, raha niady? Tsy fantatrareo va fa hozerany ny tsipìka avy any ambony manda ianareo?
21Iza no namely an’i Abimeleka zanak’i Jerobaala? Moa tsy nozeran’ny vehivavy anankiray vakim-bato fitotoam-bary avy any ambony manda ve izy, ka matin’izay tao Tebesa? Ahoana àry no nanakaikezanareo ny manda? Dia ataovy hoe: Maty koa i Oria, Heteanina, mpanomponao.»
22Dia nandeha ilay iraka, ka nony tonga izy dia nambarany tamin’i Davida avokoa izay nasain’i Jôaba nambara.
23Hoy ilay iraka tamin’i Davida: «Nivoahan’ireny olona matanjaka noho izahay ireny tany an-tsaha izahay, fa notoherinay hatreny anoloan’ny vavahady kosa izy,
24ary notifirin’ny mpandefa zana-tsipìka avy erỳ ambony manda ny mpanomponao, ka maro tamin’ny mpanompon’ny mpanjaka no maty; i Oria, Heteanina, mpanomponao koa mba maty.»
25Dia hoy i Davida tamin’ilay iraka: «Izao no lazao amin’i Jôaba: Aza malahelo loatra amin’izany ianao, fa mbetika ny iray mbetika kosa ny hafa no asian’ny sabatra. Ka ampitomboy ihany ny hamafin’ny famelezana ny tanàna, dia ravao izy. Ary ianao koa mba mankahereza azy.»
26Nony ren’ny vadin’i Oria fa maty ny lahy, dia nitomany izy.
27Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain’i Davida sy noraisiny ao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak’i Iaveh izany zavatra nataon’i Davida izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.