1Nahoana no mihetsiketsika amim-pitabatabana ny firenena,
ary mamorona hevi-poana ny vahoaka?
2Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra,
ary ny andriana koa miara-mioko,
hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony:
3Tapaho ny famatorany, hoy ireny,
ary ario lavitra antsika ny gadrany!
4Ilay mipetraka any an-danitra mitsiky;
maneso an’ireny ny Tompo.
5Ka hiteny amin’ireny Izy noho ny fahavinirany,
sy hampangorohoro azy amin’ny fisafoahany:
6Ary izaho efa nanangana ny mpanjakako,
ao ambonin’ny Siôna tendrombohitro masina.
7Hamoaka ny didy aho:
I Iaveh nilaza hoe: «Zanako ianao,
niteraka anao Aho ankehitriny.
8Mangataha dia homeko ho lovanao ny firenena,
ho fanjakanao, ny vazantany efatra.
9Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao;
hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».
10Koa ankehitriny mbà hendry ianareo mpanjaka;
minoa anatra ianareo mpitsaran’ny tany.
11Manompoa an’i Iaveh amim-pahatahorana,
mientan-kafaliana amim-pangovitana.
12Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy;
ka ho very any amin’ny lalanareo ianareo;
fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany.
Sambatra izay rehetra matoky Azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.