Fahendrena 10 - Malagasy Catholic Bible

3. NY FAHENDRENA SY ANDRIAMANITRA EO AMIN’NY TANTARAHatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy.

1Ny fahendrena no niaro ny voalohan-dahy noforonin’Andriamanitra, mba ho rain’ny olombelona rehetra, dia ilay tokana noarîna.

2Nanatsoaka azy tamin’ny fahotany izy, sy nanome fahefana azy, hitondra ny zava-boaary rehetra.

3Nihataka taminy, noho ny hatezerany, ilay tsy marina, ka very tamin’ny fisafoahana nahafaty rahalahy.

4Raha avy izay nahasafodrano ny tany noho ny olona tsy marina, dia ny fahendrena no namonjy azy ireo, ka izy no nitari-dalana ny marina tambonin’ny hazo tsy misy vidiny.

5Nony tafaharo tamin’ny heloka niraisany, ny firenen-tsamihafa, fantatry ny fahendrena ilay marina, ka notahiriziny tsy hanan-tsiny teo anatrehan’Andriamanitra, sy narovany tsy ho resin’ny fitiavan-janaka.

6Tamin’ny nandringanana ny ratsy fanahy, novonjen’ny fahendrena ny marina izay nandositra ny afo nidina tamin’ny tanàna dimy.

7Mba ho vavolombelon’ny haratsian’izy ireny, mbola mivoa-tsetroka izany tanàna nidiran-doza izany; mamoa tsy amin’ny fotoana ny hazo ao; ary misy andry sira mijoro ao, tsangam-baton’ny fanahy anankiray tsy nino.

8Nataon’izy ireny tsirambina ny fahendrena, ka sady maty antoka ny tsy nahalalany ny soa izy ireo, no namela tsangam-baton’ny hadalany ho an’ny velona, mba tsy ho very tadidy ny heloka nataony.

9Nefa nafahan’ny fahendrena tamin’ny loza kosa ny mpanaraka azy.

10Izy no nitarika tamin’ny lala-mahitsy, an’ilay marina nandositra ny hatezeran’ny rahalahiny; naneho tamin’io ny fanjakan’Andriamanitra, sy nanome azy ny fahalalana ny zava-masina; nampanan-karena azy tamin’ny asa nisasarany; ary nampahavokatra ny asa nataony.

11Novonjeny tamin’ny mpampahory mahidy izy, ka nataony nahazo harena;

12Nambenany tamin’ny fahavalony izy, ary narovany tamin’ny namela-pandrika taminy; nomeny fandresena tamin’ny ady mafy izy, mba hampahafantarany azy fa mahery noho ny zavatra rehetra ny fitiavam-bavaka.

13Ny marina namidy vola dia tsy nafoiny, fa narovany tamin’ny fahotana; niara-nidina taminy tao an-davaka izy,

14tsy nandao azy tamin’ny fatorana; mandra-panomeny azy ny tehim-panjakana, sy ny fanapahana an’ireo mpampahory azy; ireo niampanga ny olo-marina nataony vaky lainga; ary izy kosa nomeny laza mandrakizay.

Ny Eksaody nialana tany Ejipta.

15Novonjeny tamin’ny firenena nampahory azy, ny vahoaka masina aman-taranaka tsy manan-tsiny.

16Niditra tamin’ny fanahin’ilay mpanompon’Andriamanitra izy, ary nifanandrina tamin’ireo mpanjaka mahatahotra, tamim-pamantarana amam-pahagagana.

17Ny marina nomeny ny tambin’ny asany, notarihiny tamin’ny lalana nofafazany fahagagana izy ireo, nitsangan-ko alokalony izy, nony andro, ary ho fahazavany, toy ny kintana, nony alina.

18Nentiny namaky ny ranomasina Mena izy, ary notarihiny lalana namakivaky ny rano be.

19Nosaforany tao ny fahavalon’izy ireo dia naloan’ny hantsana lalina avy ao aminy izy ireo.

20Noho izany namabo ny tsy mpivavaka ny marina, dia nihira ny Anaranao masina, ry Tompo, sy niara-nankalaza ny tananao niady ho azy ireo.

21Fa mampiloa-bava ny moana ny fahendrena, ary mampahay mandahatra ny lelan’ny zaza.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help