1Henoy ny tenin’i Iaveh, ry zanak’i Israely,
fa manana ady amin’ny mponin’ny tany i Iaveh,
satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana
na ny fahalalana an’Andriamanitra ao amin’ny tany.
2Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga,
mamono, mangalatra, maka vadin’olona;
ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka
mifanolotra ny ra nalatsaka.
3Noho izany, misaona ny tany,
ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy,
hatramin’ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina;
ringana mbamin’ny hazandrano any anaty ranomasina aza.
Famelezana ny mpisorona4Nefa aza misy manohitra,
aza misy mitaraina,
fa efa toy ny manana ady amin’ny mpisorona ny firenenao.
5Ho tafintohina ianao, amin’ny antoandro;
hiara-tafintohina aminao koa ny mpaminany amin’ny alina;
ary hataoko levona ny reninao.
6Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako;
noho ianao nanary ny fahalalana,
dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao.
Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao;
ka hanadino ny zanakao koa Aho.
7Izy rehetra, na firy na firy, samy nanota tamiko;
ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.
8Mivoky amin’ny fahotan’ny vahoakako izy ireo;
ary tsy maniry afa-tsy ny faharatsiany.
9Ho sahala ny hanjò ireny mpisorona ireny sy ny vahoaka;
hofaizako izy, noho ny lalany
ary hatsingeriko aminy ny asany.
10Hihinana izy fa tsy ho voky;
hijangajanga fa tsy hitombo;
satria efa nahafoy an’i Iaveh, tsy hanompoany Azy izy.
Fanompoan-tsampy sy faharatsiana fotsiny ny fivavahan’i Israely11Mahavery saina ny fijangajangana, ny divay, ny ranom-boaloboka.
12Ny tapa-kazony no ilàn’ny vahoakako saina,
ary ny tehiny no manoro azy ny ho avy,
fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako,
ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.
13Manatitra sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy,
mandoro emboka eny amin’ny havoana,
eny ambany oaka amam-peopilie ary terebinta,
satria tsara alokaloka ireny.
Noho izany raha mijangajanga ny zanaka vavinareo,
sy maka vadin’olona ny vehivavinareo tanora,
14samy tsy hofaizako na ny zanaka vavinareo noho ny fijangajangany,
na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakàny vadin’olona;
satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin’ny vehivavy janga,
sy miara-manatitra sorona amin’ny karam-bavy.
Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.
Fampitandremana an’i Jodà15Raha ianao no mijangajanga, ry Israely,
aoka i Jodà tsy hilatsaka amin’ny heloka!
aza mankany Galgalà na miakatra any Betavena
ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!
Vantotr’omby vavy maditra i Israely16Satria i Israely efa naditra,
toy ny vantotr’ombivavy mitokona;
ankehitriny kosa i Iaveh hiandry azy
toy ny zanak’ondry eny amin’ny tany lemaka malalaka.
17Tafaraikitra amin’ny sampy i Efraima;
avelao izy ho eo!
18Raha vao avy misotro izy ireo,
dia rafitra mijangajanga.
Zava-mahamenatra no hany tadiavin’ireo mpifehiny.
19Namihina azy tamin’ny elany ny rivotra,
ka ho latsaka an-kenatra izy ireo noho ny sorona nataony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.