1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2«Raha mamontsina ny hoditry ny nofon’ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokana amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany, mpisorona.
3Dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofony, ka raha manjary fotsy ny volon-koditra amin’ny fery sady latsaka lalina noho ny hodi-nofo no fijery ny fery, dia fery habokana izany, ka rehefa avy nizaha izany olona izany ny mpisorona, dia hilaza fa maloto izy.
4Fa raha misy hodi-potsy ao amin’ny hoditry ny nofony, nefa tsy latsaka lalina noho ny hoditry ny nofony no fijery azy, sady tsy nanjary fotsy ny volon-koditra, dia hanokan-toerana ilay mararin’ny fery, hafitoana, ny mpisorona.
5Amin’ny andro fahafito hozahan’ny mpisorona indray izy; ka raha tsy nitombo ny aretina araka ny fijeriny azy, tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana fanindroany izy.
6Amin’ny andro fahafito hozahan’ny mpisorona indray izy ka raha mihamatromatroka ny fery, sady tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, dia holazain’ny mpisorona fa madio izany olona izany; anakandro izany, ka hanasa ny lambany izy, dia ho madio.
7Raha manitatra eo amin’ny hoditra anefa ny anakandro taorian’ny nisehoany teo anatrehan’ny mpisorona mba hilazany azy hoe madio, dia hiseho amin’ny mpisorona indray izy
8ka hozahan’ny mpisorona; ary raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny anakandro dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa habokana izany.»
B. Habokana9«Raha misy ferin’ny habokana amin’ny olona anankiray, dia hoentina eo amin’ny mpisorona izy ka hozahan’ny mpisorona.
10Raha misy mamontsina fotsifotsy eo amin’ny hodiny, sady nanjary fotsy azon’izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin’ny mamontsina,
11dia habokana efa latsa-paka amin’ny hoditry ny nofony izany, ka holazain’ny mpisorona fa maloto izy, fa maloto izany olona izany.
12Raha niely amin’ny hodiny anefa ny habokana, ka manenika ny hoditr’ilay marary, hatrany amin’ny lohany ka hatrany amin’ny tongony, araka izay rehetra hitan’ny mason’ny mpisorona, dia hozahan’ny mpisorona izy;
13ka raha manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia holazainy hoe: madio ilay marary; fa tonga fotsy ny tenany manontolo, ka dia madio izy.
14Amin’ny andro hahitana nofo mihena velona aminy anefa dia haloto izy;
15ka rehefa hitan’ny mpisorona ny nofony mihena velona, dia holazainy hoe maloto izy, dia habokana izany.
16Raha miova ka manjary fotsy ny nofo mihena velona, dia ho any amin’ny mpisorona izy,
17ka hozahan’ny mpisorona, ary raha nanjary fotsy ny fery, dia holazain’ny mpisorona hoe madio ilay marary; madio izy.»
D. Vay18«Raha misy olona efa voan’ny fery tao amin’ny tavany, tao amin’ny hodiny, ary efa sitrana izany,
19nefa misy mamontsina fotsy na fotsy somary mena, eo amin’ny faritra misy izany fery izany, dia hiseho amin’ny mpisorona izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona izy.
20Raha toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra ilay hodi-potsy, sady nanjary fotsy ny volon-koditra eo dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa fery habokana nipoitra ao amin’ilay fery izany.
21Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy misy fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy ary tsy latsaka ambany noho ny hoditra izany, sady nihamatromatroka, dia hatokany toerana hafitoana izany olona izany.
22Raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, fa fery habokana izany.
23Fa raha nijanona amin’izay nisy azy ihany kosa ilay hodi-potsy fa tsy nanitatra, dia hola-pery izany, ka holazain’ny mpisorona hoe madio izy.»
E. May24Raha misy olona main’ny afo amin’ny vatany, amin’ny hodiny, ka misy hodi-potsy na fotsy somary mena miseho amin’ny faritra main’ny afo, dia hozahan’ny mpisorona izany.
25Raha nanjary fotsy ny volon-koditra eo amin’ilay hodi-potsy, sady toa lalina latsaka ambanin’ny hoditra izy, dia habokana izany; nipoitra avy amin’ny may izany, ka holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, dia fery habokana izany.
26Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy fotsy ny volon-koditra eo amin’ny hodi-potsy, tsy latsaka ambany noho ny hoditra izy, sady efa nihamatromatroka, dia hotanany hitokan-toerana hafitoana izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito;
27raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, satria fery habokana izany.
28Fa raha nijanona amin’izay nisy azy ihany ilay hodi-potsy, fa tsy nanitatra eo amin’ny hoditra, sady nihamatromatroka, dia ny mamontsina avy amin’ny may izany, ka holazain’ny mpisorona hoe madio izy, satria holatry ny may izany.
F. Fery amin’ny loha na saoka29Raha misy lehilahy na vehivavy voan’ny fery amin’ny lohany na amin’ny saokany, dia hozahan’ny mpisorona ny fery.
30Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka.
31Raha hitan’ny mpisorona anefa fa tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery ny fery kimavo, ary tsy misy volo mainty eo, dia hatokan’ny mpisorona hafitoana, izay voan’ny fery kimavo.
32Ary hozahan’ny mpisorona ny fery amin’ny andro fahafito. Raha tsy nanitatra ny kimavo sady tsy misy volon-koditra tomamotamo ary tsy latsaka noho ny hoditra no fijery azy,
33dia hiharatra ilay voan’ny kimavo, afa-tsy amin’izay misy ny fery, ary hanokan-toerana azy hafitoana indray ny mpisorona;
34ka amin’ny andro fahafito ny mpisorona hizaha ny fery kimavo indray: raha tsy nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo, sady tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, dia holazain’ny mpisorona hoe madio izany olona izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
35Raha efa nolazainy hoe madio anefa izy, no nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo,
36dia hozahan’ny mpisorona izy, ka raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny fery kimavo dia tsy ilaina intsony izay hizahan’ny mpisorona raha misy volon-koditra tomamotamo; fa maloto izany olona izany.
37Fa raha tsy nitatra ny fery kimavo araka ny fijery azy sady misy volon-koditra mainty maniry koa eo, dia sitrana ny kimavo, ka madio ilay olona ary holazain’ny mpisorona hoe madio izy.
G. Hodi-potsy38Raha misy lehilahy na vehivavy misy mamaritra fotsifotsy ny hoditry ny nofony, dia hozahan’ny mpisorona izy.
39Raha mamaritra fotsy matromatroka ny hodiny ao amin’ny nofony, dia foròfotra maniry amin’ny hodiny izany, ka madio izy.
H. Sola40Raha misy lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ny lohany, madio ihany izy.
41Raha ny volony anoloana no mihintsana dia mazavaray izy, madio ihany.
42Fa raha misy fery mangia-potsy somary mena eo amin’ny faritra sola, na anoloana na an-damosina, dia habokana mipoitra eo amin’ny faritra sola, na an-damosina na anoloana izany.
43Hozahan’ny mpisorona izy. Raha mamontsina mangia-potsy somary mena ny faritra sola na an-damosina na anoloana, ka miendrika habokana amin’ny hoditry ny nofo,
44dia olona boka izy, ka maloto, ary holazain’ny mpisorona hoe maloto: eo amin’ny lohany ny feriny.
Ny hatao amin’ny boka45Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakarakany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!
46Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy ka hitokana irery, any ivelan’ny toby.
Habokana amin’ny akanjo47Raha misy fery habokana eo amin’ny fitafiana rongony na volon’ondry,
48amin’ny kofehy rongony na volon’ondry, hatao tenany na fahany, amin’ny hoditra na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra,
49raha maitsomaitso na menamena ny fery eo amin’ny fitafiana, na amin’ny hoditra, na amin’ny kofehy hatao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, dia fery habokana izany, ka haseho ny mpisorona.
50Rehefa voazahan’ny mpisorona ny fery, dia hatokany toerana hafitoana ilay zavatra voa.
51Amin’ny andro fahafito hozahany ny fery, ka raha nanitatra ny fery amin’ny hoditra, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, dia habokana ratsy izany ka maloto io zavatra io.
52Hodorana ny fitafiana, ny kofehy rongony madinika na volon’ondry hatao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona, izay misy ny fery, fa habokana ratsy izany, hodorana amin’ny afo ny zavatra.
53Raha hitan’ny mpisorona anefa fa ny fery tsy nanitatra amin’ny fitafiana, na amin’ny kofehy natao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona izany,
54dia asaina sasany ilay zavatra voa, vao hatokany toerana hafitoana indray.
55Raha efa izany, hozahan’ny mpisorona ny fery amin’ilay zavatra efa nosasana, ka raha tsy niova toetra izy, sady tsy nanitatra, dia maloto ilay zavatra, ka dory amin’ny afo; fa efa nasian’ny habokana ny lafitsarany na ny lafiratsiny.
56Raha hitan’ny mpisorona anefa fa mihamatromatroka ny fery nony efa nosasana, dia hoesoriny amin’ny fitafiana na amin’ny hoditra na amin’ny kofehy natao tenany na fahany.
57Raha miseho amin’ny fitafiana indray izy, na amin’ny kofehy natao tenany na fahany, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona izany, dia habokana mipoitra, ka dory amin’ny afo ilay zavatra voan’ny fery.
58Fa raha nosasana ny fitafiana, ny kofehy natao tenany na fahany, ny zavatra natao tamin’ny hoditra na inona na inona, ka levona ny fery, dia sasao indray izy, dia ho madio.
59Izany no lalàna momba ny fery habokana amin’ny fitafiana volon’ondry na rongony, ny kofehy natao tenany na fahany, ary ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, mba hilazana azy hoe madio na maloto.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.