1Nandry feizay ny tany nandritra ny telo taona, fa tsy niady i Siria sy i Israely.
2Nony tamin’ny taona fahatelo, nidina nankany amin’ny mpanjakan’i Israely, i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.
3Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’ny mpanompony; «Fantatrareo va fa antsika i Ramôta any Galaada, no tsy manao na inona na inona isika mba hanatsoaka azy eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria?»
4Dia hoy izy tamin’i Jôsafata: «Mba hiaraka amiko hamely an’i Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Hahazo ahy ny hahazo anao, ary hihatra amin’ny oloko ny hihatra amin’ny olonao, ary hihatra amin’ny soavaliko ny hihatra amin’ny soavalinao.»
Ireo mpaminany sandoka manambara fandresena(Jereo 2Tan 18,4-11)5Ary tamin’izay i Jôsafata niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: «Miangavy anao aho, mba hanontany ny tenin’i Iaveh ankehitriny.»
6Dia novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminany tokony ho 400 lahy, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Handeha hamely an’i Ramôta any Galaada va aho, sa tokony hijanona?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Mandehana fa atolotry ny Tompo eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»
7Nefa hoy i Jôsafata: «Moa tsy misy mpaminanin’i Iaveh intsony va eto, azontsika anontaniana koa?»
8Dia hoy ny mpanjakan’i Israely namaly an’i Jôsafata: «Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh, dia i Mikea, zanak’i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany.» Ka hoy i Jôsafata: «Aza manao izany, ry mpanjaka.»
9Izay ny mpanjakan’i Israely vao niantso eonoka anankiray, nilazàny hoe: «Asaovy mankatỳ miaraka amin’izay i Mikea zanak’i Jemlà.»
10Tamin’izany ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, samy efa tafapetraka eo amin’ny seza fiandrianany, sy samy efa niakanjo ny akanjony avy, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, samy naminany teo anatrehan’izy ireo.
11I Sedesiasa zanak’i Kanaàna nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny Sirianina, mandra-paharingany.»
12Ny mpaminany rehetra koa naminany torak’izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada, ka maharese, satria hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»
I Mikea mpaminany manambara faharesena13Ary ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Indro fa iray teny avokoa ny mpaminany izao, samy milaza soa ho an’ny mpanjaka, ka mba ampifanaraho amin’ny azy ireo tsirairay avy koa ny teninao, mbà milaza soa.»
14Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»
15Nony tonga teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mandehana, maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany!»
16Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin’ny Anaran’i Iaveh, afa-tsy ny marina ihany?»
17Dia hoy ny navalin’i Mikea: «Indreny i Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»
18Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Tsy efa voalazako taminao va? Tsy mba maminany soa ho ahy io, fa ny loza ihany.»
19Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.
20Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba mba hiakarany any Ramôta any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao.
21Tamin’izay dia tonga ny fanahy, nitoetra teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Fa hoy i Iaveh taminy: Hataonao ahoana?
22Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho, ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan’ny mpaminany rehetra. Dia hoy i Iaveh: Hanambaka azy ianao, sady hahomby amin’izany, ka mivoaha àry, ataovy izany.
23Koa indro, i Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminaninao rehetra eo ireo. Ary i Iaveh efa nanonona loza hanjò anao.»
24Fa nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaàna, ka namely ny takolak’i Mikea ary nanao hoe: «Fa taiza leity no nivoahan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny amin’ialahy a?»
25Ary hoy ny navalin’i Mikea: «Ho hitanao izany, amin’ilay andro handehananao isan’efitrano hierenao.»
26Dia hoy ny mpanjakan’i Israely: «Raiso i Mikea ka ento any amin’i Amôna governoran’ny tanàna sy amin’i Jôasa zanaky ny mpanjaka,
27lazao hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity ka mofom-pahoriana aman-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa aman-tsara.»
28Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»
Ny nahafatesan’i Akaba tany Ramôta any Galaada(Jereo 2Tan 18,28-34)29Dia niakatra nankany Ramôta any Galaada ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.
30Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Hanao fitafiana hafa aho no handroso any amin’ny ady, fa ianao kosa ny akanjonao ihany entina.» Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan’i Israely, ka nandroso tany amin’ny ady.
31Ary nisy didy nomen’ny mpanjakan’i Siria an’ireo 32 lahy, lehiben’ny an-kalesiny nataony hoe: «Aza mamely na ny kely na ny lehibe fa ny mpanjakan’i Israely ihany.»
32Nony nahatazana an’i Jôsafata ny lehiben’ny kalesy, dia nanao hoe: «Iny tokoa ny mpanjakan’i Israely»; sady nitodika nanatrika azy izy hamely azy. Niantso mafy i Jôsafata.
33Ka nony hitan’ny lehiben’ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’i Israely io, dia nivily niala taminy.
34Tamin’izay nisy kosa lehilahy anankiray, nandefa kitoatoa ny zana-tsipìkany, ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely, teo anelanelan’ny fikatonan’ny ankanjom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpampandeha kalesiny: «Ahodino ka ento miala eto amin’ny ady aho, fa voa.»
35Ary nihamafy ny ady tamin’izany andro izany; notohanana ihany ny mpanjaka, hitsangana teo ambony kalesiny, tandrifin’ny Sirianina, ary maty izy nony hariva; ny ra tamin’ny ratrany, niraraka tao anaty kalesy.
36Nony efa ho faty ny masoandro, niely eran’ny toby izao antsoantso izao; «Samia mody any an-tanànany avy, samia mody any amin’ny taniny avy!»
37Toy izany no nahafatesan’ny mpanjaka. Nentina ho any Samaria izy, dia nalevina tany Samaria ny mpanjaka.
38Nony nosasana tao am-parihin’i Samaria ny kalesy dia nolelafin’ny alika ny ran’i Akaba, ary nandro teo ny vehivavy janga araka ny teny voalazan’i Iaveh.
6. TAORIAN’NY NAHAFATESAN’I AKABAFamaranana ny fanjakan’i Akaba39Ny sisa tamin’ny asan’i Akaba, mbamin’izay rehetra nataony, ny trano ivoara naoriny, ny tanàna rehetra naoriny, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?
40Nody mandry any amin’ny razany i Akaba, ary i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Fanjakan’i Jôsafata tany Jodà (870-848)(Jereo 2Tan 20,31–21,1)41Tamin’ny taona fahefatr’i Akaba mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Jôsafata zanak’i Asà ho mpanjakan’i Jodà.
4235 taona i Jôsafata, fony tonga mpanjaka, ary 25 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Azobà, zanak’i Salaia.
43Nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Asà rainy izy, sady tsy nivily tamin’izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.
44Saingy ny fitoerana avo tsy rava, ny vahoaka mbola nanohy ny fanateran-tsorona aman-java-manitra eny amin’ny fitoerana avo.
45Ary i Jôsafata nihavana amin’ny mpanjakan’i Israely.
46Ny sisa tamin’ny asan’i Jôsafata, ny herim-po nasehony, ny ady nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?
47Nofongorany hiala amin’ny tany ny mpijangajanga sisa izay nijanona teo, tamin’ny andron’i Asà rainy.
48Tsy nisy mpanjaka tany Edôma fahizay, fa governora no solo-mpanjaka.
49Nanao sambon’i Tarsisa folo i Jôsafata mba hankany Ofira haka volamena, nefa tsy nankany izy, fa fefika tao Asiôngabera ny sambo.
50Dia hoy i Okoziasa zanak’i Akaba tamin’i Jôsafata: «Avelao ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao eny an-tsambo.» Nefa tsy nety i Jôsafata.
51Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, ka nalevina ao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida rainy, dia i Jôrama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
I Okoziasa mpanjakan’i Israely (853-852) sy i Elia mpaminany52Tamin’ny taona faha 17-n’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà no vao tonga mpanjakan’i Israely tany Samaria i Okoziasa zanak’i Akaba, ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.
53Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, dia nandeha tamin’ny lalan-drainy ary tamin’ny lalan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay nampanota an’i Israely.
54Nanompo an’i Baala izy, ary niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tahaka izay rehetra nataon-drainy ihany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.