Izaia 57 - Malagasy Catholic Bible

1Lasa tsy hita intsony ny marina

nefa tsy misy misaina ao am-pony;

alaina ny olona tia vavaka,

nefa tsy misy mihevitra akory

fa noesorina ho afaka amin’ny loza ny marina,

2ka miditra ho amin’ny fiadanana izy!

Mandry ao amin’ny fandriany,

izay nanaraka ny lala-mahitsy.

3Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody,

ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga!

4Iza no hanihaninareo?

Iza no isanasanànareo vava

sy itranganareo lela?

Tsy zanaky ny mpanao ratsy va ianareo,

sy taranaka mpandainga?

5Mirehidrehitra ianareo eo ambanin’ny terebinta,

sy eny ambanin’izao hazo maitso rehetra izao!

Mamono zaza eny an-dohasaha,

ambanin’ny tsefatsefa-karambato!

Hadalan’izay mitoky amin’ny sampy

6Ny vato kilonjy eny an-dohasahan-driaka, no anjaranao,

izany dia izany no anjaranao!

Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka,

sy notoloranao fanatitra!

Moa tsy maintsy hahafa-po Ahy va izany?

7Nanorina ny fandrianao,

tany an-tendrombohitra avo sy manerinerina ianao!

Dia niakatra tany ianao hanao sorona.

8Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolàm-baravarana ianao,

no nametraka ny fahatsiarovanao.

Fa lavitra Ahy ianao miala rako-dambam-pandriana,

miakatra ao sy manitatra ny fandrianao ianao,

ary nandraikitra ny tambinao tamin’izy ireo;

mankamamy ny fifamihinany aminao ianao,

mandoto ny masonao ianao.

9Miseho eo anatrehan’ny mpanjaka ianao mitondra diloilo:

ataonao betsaka ny zava-manitrao;

alefanao lavitra ny irakao;

mietry hatrany amin’ny Seoly ianao.

10Reraka noho ny fandehandehananao matetika ianao;

tsy mba nilaza hoe: «Aim-bery foana izany!»

Hitanao fa mbola misy hery ny tananao,

ka izany no tsy ahatsiarovanao marary.

11Fa iza àry no atahoranao? iza no ahinao,

no dia nivadika amiko ianao,

ka tsy mba mahatsiaro Ahy,

sy tsy asianao raharaha akory Aho?

Moa tsy nangina Aho, ary efa hatry ny ela,

dia hatrizay tsy natahoranao Ahy izay?

12Izaho no hanambara ny fahamarinanao,

ary ny asanao izay tsy mahasoa anao akory.

13Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao

ireo antontan’andriamanitrao!

Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo,

hindaosin’ny tsotso-drivotra!

Fa izay matoky Ahy no handova ny tany,

sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.

Tononkalo fanalana alahelo

14Ary hisy hilaza hoe:

«Savao, savao ny lalana, areno izy,

esory ny misakantsakana rehetra eo amin’ny lalan’ny vahoakako!»

15Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra,

izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay

sy antsoina hoe ilay Masina:

Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho,

ary koa ao amin’ny olona torotoro fo

sy manetry tena am-panahy,

mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena,

sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.

16Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho,

na hitahiry fahatezerana mandrakizay;

satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako

ny fanahy sy ny aina izay nataoko.

17Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho

ary namely azy noho ny fahatezerako,

nefa miery tsy ho hita Aho;

ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...

18Hitako ny lalany ary hanasitrana azy Aho;

hitari-dalana azy, ary hamerina aminy

ny fampiononako, ho azy sy ho an’ireo malahelo eo aminy.

19Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe:

«Fiadanana, fiadanana, ho an’ny lavitra sy ny akaiky,

hoy i Iaveh, ary hanasitrana azy Aho!...»

20Fa ny ratsy fanahy kosa, tahaka ny ranomasina manonja,

izay tsy mety mitony,

ary manakobana tany dilatra amam-potaka ny onjany.

21Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy,

hoy ny Andriamanitro.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help