1I Piera, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, mamangy ny mpivahiny izay miely any Pônto, Galata, Kapadosy, Azia ary Bitinia, dia ny olom-boafidy,
2araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!
Sasin-tenyNy famonjena ny kristianina3Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,
4hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
5dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
6Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
7ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
8Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
9sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.
Fanantenan’ny mpaminany10Izany famonjena izany no zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.
11Nohadihadian’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany.
12Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy, dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin’ny Anjely hojerena.
Fiantsoana ho masinaFitandremana tsara13Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
14Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filàn-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo;
15fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin’ny fitondran-tenanareo rehetra,
16araka ny voasoratra hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho,
17Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy, no antsoina hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo, mandritra ny andron’ny fivahiniana etỳ,
18satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy,
19fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
20dia ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, no efa voatendry, fa tamin’izao andro farany izao, no vao naseho, noho ny aminareo.
21Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra, Izay nanangana Azy avy any amin’ny maty, sy nanome voninahitra Azy, ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.
Ny fitiavana22Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
23fa efa nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa amin’ny voa tsy mety lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.
24Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra; nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny;
25fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorina taminareo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.