Osea 10 - Malagasy Catholic Bible

Noravana ny ôtely fanompoan-tsampin’i Israely

1Voaloboka mirobona erỳ i Israely,

efa mavesatry ny voany.

Araka ny habetsahan’ny voany

no ampitomboany ny ôteliny;

araka ny hatsaran’ny taniny,

no hatsaran’ny tsangam-bato nataony.

2Mpihatsaravelatsihy ny fony;

ka efa hivesatra ny valin’izany izy.

Hanjera ny ôteliny izy,

handrava ny tsangam-batony.

3Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy mana-mpanjaka isika,

noho isika tsy natahotra an’i Iaveh;

fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?

4Hanonona teny izy ireo,

manao fianianana tsy misy antony,

sy mandraikitra fanekena;

ary ny fitsarana kosa hiposaka toy ny fivelatry ny pavôty

eny amin’ny saha voasoritsoritra.

5Noho ny ombivavy kely ao Betavena

no atahoran’ny mponina ao Samaria,

satria ny vahoakany misaona ny sampiny,

ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy,

noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.

6Hoentina any Asiria koa izy,

hatao fanatitra ho an’ny mpanjaka mpamaly;

ho azon’ny henatra i Efraima,

hangaihay noho ny hevitra voakasany i Israely.

7Levona i Samaria;

ny mpanjakany dia toy ny tapak’ahitra

eo ambonin’ny rano.

8Ho rava ny fitoerana avon’i Avena,

izay fahotan’i Israely;

handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny.

Ny tendrombohitra hilazany hoe: «Saròny izahay!»

Famelezana an’i Gabaà

9Efa nanota hatramin’ny andro, fony tany Gabaà, ianao, ry Israely;

mikiribiby aman-keloka izy ireo.

Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà

ny ady voalaza hatao amin’ny zanaky ny faharatsiana?

10Hofaizako araka ny sitrapoko izy ireo:

ary ho tafangona hamely azy ny firenena,

rehefa hafatotra amin’ny fahotany roa izy ireo.

Fanambanana sy fiantsoana hibebaka

11I Efraima dia ombivavy kely tsara folaka,

finaritra ny hively vary.

Izaho kosa hanisy jioga ny vozony tsara tarehy;

i Efraima hampitarihiko kodiarana

i Jodà hiasa;

i Jakôba hitarika fihogo famakiam-bainga.

12Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo;

ataovy araka ny famindram-po ny fijinjànareo;

miasà tany vao ho anareo;

fa efa fotoana hitadiavana an’i Iaveh izao,

mandra-piaviny handatsaka ny fahamarinana ao aminareo.

Izay no izy!

13Fa ianareo niasa ny faharatsiana,

nijinja ny faharatsiana,

nihinana ny vokatry ny lainga.

Nitoky tamin’ny lalanao ianao,

sy tamin’ny hamaroan’ny lehilahy maherinao.

14Indro velona ny tabataba ao amin’ny vahoakanao,

ary horavana avokoa ny tanàna mimandanao,

tahaka ny nandravan’i Salmanà an’i Beta-Arbela,

tamin’ny andron’ny ady

izay nahatorotoro ny reniny teo ambonin’ny zanany.

15Izany no nataon’i Betela taminareo,

noho ny haratsianareo loza loatra.

Vao tonga ny maraina dia levona teo ny mpanjakan’i Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help