1Samoela 21 - Malagasy Catholic Bible

1Koa i Davida moa nitsangana dia lasa nandeha, fa i Jônatasy kosa niditra nankany an-tanàna.

Ny nijanonan’i Davida tany Nobe

2Lasa nankany Nobe amin’i Akimeleka mpisorona i Davida ka taitra mafy i Akimeleka nitsena an’i Davida nanao taminy hoe: «Nahoana ity ianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?»

3Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akimeleka mpisorona: «Nomen’ny mpanjaka didy aho, nataony hoe: Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha nanirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any Ananona any ny olona momba ahy.

4Ary amin’izao kosa inona no vonona eo am-pelatananao izao? Omeo mofo dimy aho eto an-tanako na izay sendra hita».

5Ary hoy ity mpisorona namaly an’i Davida hoe: «Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona».

6Ka hoy i Davida namaly ny mpisorona nanao hoe: «Hatramin’ny nandehanako hateloana izay no efa nifady vehivavy izahay, sady masina koa ny kapaoky ny olona miaraka amiko, ka na tsy masina aza ny dia, ny amin’ny momba ny kapaoka kosa dia voahasina».

7Dia nomen’ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan’i Iaveh mba hosoloina ny mofo mafana amin’ny fotoana fanesorana azy.

8Tao indrindra ny lehilahy anankiray amin’ny mpanompon’i Saola tamin’izay andro izay, fa voahazona teo anatrehan’i Iaveh; I Dôega Edômita no anarany, ary lehiben’ny mpiandry ny ondrin’i Saola izy.

9Ary hoy i Davida tamin’i Akimeleka: «Tsy misy lefona na sabatra va ato aminao? Fa tsy naharay ny sabatro na ny fiadiana hoentiko akory aho fa maika ny raharaha nandidian’ny mpanjaka ahy».

10Dia hoy ny navalin’ny mpisorona: «Ny sabatr’i Gôliata, ilay Filistinina, izay novonoinao tao amin’ny lohasahan’ny Terebinta no ao, indro mifono ny lamba kapaoty ao ivohon’ny efôda ao izy. Ka raha tianao hoentina iny, dia ento, fa tsy misy afa-tsy iny eto.» Ary hoy i Davida: «Tsy misy hoatra an’iny, ka omeo ahy iny.»

I Davida tany amin’ny Filistinina(Jereo 1Sam 27)

11Nitsangana i Davida ary androtr’izay ihany dia nandositra lavitra an’i Saola, ka tany amin’i Akisa mpanjakan’i Geta no nalehany.

12Ary hoy ny mpanompon’i Akisa taminy: «Tsy io va no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy io va no nanaovana hira arahim-pandihizana hoe:

‹Arivoarivo no matin’i Saola,

Ary alinalina no matin’i Davida?› »

13Nieritreritra ny amin’izany teny izany i Davida, ka raiki-tahotra mafy an’i Akisa mpanjakan’i Geta.

14Dia nody adala teo anatrehan’izy ireo sy niseho ho very saina teo am-pelatanany izy: noveleziny, nataony langoroany ny lela vavahady; ary navelany hitsororoka amin’ny somony ny ranon’iviny.

15Ka hoy i Akisa tamin’ny mpanompony: «Hitanareo fa adala io lehilahy io, ka ahoana no nitondranareo azy atỳ amiko?

16Tsy ampy olona adala ato amiko angaha no itondranareo an’io, hanondrana eto anatrehako? Io ve dia tokony hiditra izay tranoko akory?»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help