1Anaka, henoy aho, rainareo,
ary ataovy izay hahazoanareo ny famonjena.
2Fa sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;
ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany izy.
3Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;
4ary fanangonan-karena ny manaja ny reny.
5Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany,
ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.
6Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,
izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.
7Izay matahotra ny Tompo, manaja ny ray aman-dreniny,
ary manompo toy ny tompony izay nahitany masoandro.
8Hajao ny rainao, na amin’ny asa, na amin’ny teny,
mba hirotsahan’ny tso-dranony aminao,
9fa ny tso-dranon-dray mampiorina mafy ny tranon-janany,
ary ny ozon-dreny kosa mamongotra izay efa miorina.
10Aza mirehareha amin’ny fahafaham-barakan-drainao;
fa tsy mety hahazoanao voninahitra ny henatra mahazo azy:
11satria ny voninahitry ny rainy no iavian’ny hajan’ny olombelona;
ary ny reny voatevateva dia henatra ho an’ny zanany.
12Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,
ary aza mampalahelo azy, amin’ny andro iainany.
13Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,
ary aza manatsinontsinona azy, rehefa be indrindra ny tanjakao.
14Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;
ary hisolo toerana ny fahotanao, ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.
15Fa hotsarovan’ny Tompo ianao, amin’ny andron’ny fahoriana;
ka ho toy ny ranomandry amin’ny andro tony,
no ho fahalevon’ny fahotanao.
16Izay mahafoy ny rainy, manahaka ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra,
ary ozonin’Andriamanitra izay mampahatezitra ny reniny.
Fanetren-tena17Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao,
dia ho tian’ny olona izay ankasitrahin’Andriamanitra ianao.
18Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena
dia hahita sitraka amin’Andriamanitra ianao;
19fa lehibe ny fahefan’Andriamanitra,
ary ankalazain’ny manetry tena Izy.
20Aza mitady izay sarotra loatra ianao,
ary aza mikaroka izay tsy tratry ny herinao ianao.
21Izay andidiana anao no tsy maintsy heverinao,
fa tsy manana inon-katao amin’ny zava-miafina ianao.
22Aza milozoka amin’izay ambin-draharaha,
fa ny naseho anao aza izao, efa tafahoatra
noho ny azon’ny sain’olombelona fantarina.
23Efa nampivaona olona maro be ny fahadisoan-keviny
ka nampivaona ny hevitr’izy ireo, ny hambo mahameloka.
24Izay tia zava-mampidi-doza, hahita loza amin’izany,
ary ny fo mafy mianjera amin’ny loza, amin’ny farany.
25Ny fo mafy ho tototry ny fahoriana,
ary ny mpanota, manovona ota ny ota.
Fiavonavonana26Tsy lai-panafody ny loza mahazo ny mpiavonavona;
fa efa latsa-paka ao aminy ny tsirin’ny fahotana.
27Ny fon’ny olona manan-tsaina, misaintsaina ny fanoharana,
ny mahita sofina mitandrina no fanirian’ny hendry.
Fitiavana ny mahantra(Jereo Deter 15,7-11; Ekl 29,8-13; 7,32-36)28Ny rano mamono ny afo midedadeda indrindra;
ary ny fiantrana manonitra ny fahotana.
29Izay mamaly ny soa natao, mitsinjo ny ho avy,
ka hahita fiankinana izy, amin’ny andro mahory.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.