Salamo 21 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 21 (Volgata 20)Fisaorana noho ny vitan’ny mpanjaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. - Salamon’i Davida.

2Ry Iaveh, mifaly amin’ny herinao ny mpanjaka;

endrey ny haben’ny firavoravoany amin’ny famonjenao!

3Nomenao azy izay nirin’ny fony,

tsy nolavinao izay nangatahin’ny molony.

- Selà

4Fa notsenainao fanambinana fatratra izy;

satroboninahitra volamena madio no nataonao tamin’ny lohany.

5Nangataka aina taminao izy, ka nomenao azy izany;

dia andro lava sy mandrakizay alaovalo.

6Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny;

nomenao laza amam-pamirapiratana izy.

7Nataonao fandrotsaham-pitahiana mandrakizay izy;

fenoinao hafaliana eo anatrehan’ny Tavanao izy.

8Fa matoky an’i Iaveh ny mpanjaka,

ka tsy mangozohozo izy noho ny famindram-pon’ny Avo indrindra.

9Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra, ry Mpanjaka,

ho azon’ny tananao ankavanana izay mankahala Anao;

10hataonao toy ny fatana mirehitra izy,

amin’ny andro fampisehoanao ny Tavanao.

Haringan’i Iaveh amin’ny fahatezerany izy ireo,

ary handevona azy ny afo.

11Hofongoranao eo amin’ny tany ny taranany,

ary eo amin’ny zanak’olombelona ny tamingany.

12Nanao fiomanana handevona anao izy ireo

namoron-kevi-dratsy, nefa tsy hahefa.

13Fa Ianao kosa no hampiamboho azy;

hikendry ny handriny amin’ny tsipìkanao Ianao.

14Mitsangàna amin’ny herinao, ry Iaveh ô,

te hihira sy hankalaza ny fahefanao izahay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help