1Fa fahatezerana tsy misy famindram-po kosa, no nanenjika ny ratsy fanahy, hatramin’ny farany; satria fantatr’Andriamanitra mialoha, izay ho fitondran-tenany,
2fa rehefa halefany handeha ny marina, sady hododonany sy hangatahiny mafy hiala faingana aza, dia hanenenany indray izany, ka ny hanenjika an’ireo no hataony.
3Ary tokoa fa mbola tsy tapitra akory ny fisaonana, mbola nigogogogo teo amin’ny fasan’ireo maty izy, dia rafitra nanao hevi-pahadalana hafa indray, ka nenjehiny toy ny mpandositra, ireo efa nitalahoany handeha hiala lavitra.
4Nisy hery tsy azo tohanana nitarika azy ho amin’izany fiafarana izany, ka rariny izany, sady nampanadino azy izay vao nanjò azy mba ho feno lanja ny sazy hefainy, izay mbola tsy ampy tamin’ny fijaliany taloha.
5Ka ny vahoakanao moa, nita soa aman-tsara tamim-boninahitra, izy ireo kosa nahazo fahafatesana hafahafa.
6Satria, niova toetra avokoa ny zava-boaary manontolo, nanaraka ny didy manokana nomena azy, mba ho voatahiry tsy ho azon’ny loza na inona na inona ny zanakao.
7Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin’ny alony; niseho teo amin’izay nisy rano taloha, ny tany; nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena, ary niova ho tanimbolin-java-maitso, ny rano be nisamboaravoara.
8Nandalo teto izy ireo, firenena iray manontolo, voaaron’ny tananao, nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona, toy ny soavaly eny an-tanim-bilona,
9toy ny zanak’ondry mifalihavanja, nankalaza Anao izy ireo, ry Tompo, Ianao Mpanafaka azy ireoSoa avy amin’ny zava-boaary nomen’Andriamanitra an’i Israely.
10Satria mbola tsaroan’izy ireo ny zavatra nitranga, tamin’izy nitoetra tany an-tany hafa: fa ho solon’ny biby hafa, dia moka no foy navoakan’ny tany; ary sahona no foy navoakan’ny ony, solon’ny hazandrano.
11Tatỳ aoriana kosa, fampisiam-borona mahatalanjona indray no hitany, raha ilay nentin-kalianana dia nangata-kanina matsiro iny izy ireo;
12fa nisy papelika niakatra avy any anilan’ny ranomasina any mba hanafa-diana azy.
I Ejipta meloka noho i Sôdôma.13Ary ny sazy nihatra tamin’ny mpanota, nefa tsy diso fambara mialoha dia ny henatra mafy erỳ. Niaritra fijaliana tandrifin’ny helony, izy ireny.
14Fa fankahalana maharikoriko loatra, no nasehony tamin’ny vahiny. Nisy olon-kafa tsy nety nandray olona izay tsy nifankahalala taminy akory; fa izy ireo kosa nampanjary mpanompo ny vahiny izay efa nanisy soa azy.
15Mainka indray aza, dia azo heverina ho metimety kokoa ny an’irerỳ voalohany satria nataony fahavalo no fihevitra an’ireo vahiny noraisiny;
16fa ireto kosa nandray ny vahoakanao, nanaovany andro fifaliana, ka nandrasany hiray fileovana aminy, fa tatỳ aoriana kosa nataony tototry ny fijaliana mangidy izy ireo.
17Ka dia namely azy ireo kosa ny fahajambana, toa an-dry zareo nitangorona tamin’ny varavaran’ny marina, nony voasarona haizina mikitroka izy ireny, ka samy nikaroka ny fidirana amin’ny varavarana.
Nihasoa ny zava-boaary tamin’ny Eksaody.18Fa niova toetra ny zavatra voaary tahaka ny feo amin’ny psalteriôna miova ba, nefa maharitra tsy miova faneno. izany mety ho hita mazava tamin’ny zava-niseho fahizany.
19Ny biby an-tanety nanjary anaty rano; ary ireo nilomano kosa lasa an-tanety.
20Ny afo tonga nanan-kery tao anatin’ny rano mihoatra noho ny heriny andavanandro, ary ny rano namalona ny toetrany mahafaty afo.
21Etsy an-daniny kosa, tsy tratry ny lelafo ny nofon’ny biby malemilemy tafaely manodidina azy, ary tsy nampiempoiny ilay hanina avy any an-danitra, izay sahala amin’ny fanala mivongana sy mora miempo toa azy.
Famaranana.22Nankalaza ny vahoakanao, tamin’ny zavatra rehetra, Ianao ry Tompo; nomenao voninahitra izy, fa tsy mba notsiratsirainao; ary novonjenao tamin’ny toerana amam-potoana rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.