Jeremia 31 - Malagasy Catholic Bible

1Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, -

Izaho ho Andriamanitry

ny fianakaviana rehetra amin’i Israely,

ary izy ireo ho oloko.

2Izao no lazain’i Iaveh:

Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra;

ta-hanome fitsaharana an’i Israely aho.

3Niseho tamiko tany lavitra tany i Iaveh.

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao;

izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.

4Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao,

ry virjinin’i Israely;

hiramarama amin’ny ampongatapakao indray,

ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.

5Hamboly ny tanimboalobokao indray ianao

any an-tendrombohitr’i Samaria:

izay mamboly, hamboly ka hioty.

6Fa efa avy ny andro, hiantsoan’ny mpiambina

any amin’ny tendrombohitr’i Efraima hoe:

«Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna,

ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika!»

7Fa izao no lazain’i Iaveh:

Mihobia an-kafaliana, ny amin’i Jakôba,

manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay lohan’ny firenena;

ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe:

«Ry Iaveh, vonjeo ny olonao,

dia ny sisa amin’i Israely!»

8Indro Aho mamerina azy

avy any amin’ny tany avaratra;

manangana azy avy any amin’ny faran’ny tany.

Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa,

ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza;

hanao dia be izy ireo no hiverina atỳ.

9Hiverina amin-dranomaso izy;

ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina;

eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy,

amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy;

satria efa ray ho an’i Israely Aho,

ary lahimatoako i Efraima.

10Ianareo, firenena, mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ary torionareo izany, avy amin’ireo nosy lavitra;

ataovy hoe: «Ilay nampiely an’i Israely, dia hanangona azy indray;

ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny»;

11Satria i Iaveh, efa nanavotra an’i Jakôba,

sy nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.

12Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna.

Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’i Iaveh izy ireo,

ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo,

ho amin’ny ondry aman’omby;

ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny,

ka hitsahatra tsy halazo intsony.

13Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy,

mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa.

Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany,

halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.

14Hovokisako ny matavy ny fanahin’ny mpisorona;

ary hivoky ny zava-tsoako ny oloko;

- teny marin’i Iaveh. -

15Izao no lazain’i Iaveh:

Nisy feo re tany Ramà,

dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy;

fa nitomany ny zanany i Rasela

ka mandà tsy hampiononina izy,

ny amin’ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.

16Izao no lazain’i Iaveh:

Sakano ny feonao tsy hitaraina

ary ny masonao tsy hitomany;

fa hahazo valisoa ny asanao, - teny marin’i Iaveh. -

Hody avy any an-tanim-pahavalo izy ireo.

17Misy fanantenana ho amin’ny fara andronao,

- teny marin’i Iaveh, -

ary dia hiverina ho amin’ny faritaniny indray ny zanako.

18Reko ny fitarainan’i Efraima hoe:

«Nofaizanao aho, ka voafay,

toy ny vantotr’ombalahy tsy voafolaka;

avereno aho, dia hiverina,

satria ianao no Iaveh Andriamanitro;

19Fa nony efa nivily aho, dia nanenina;

ary nony efa nahalala aho, dia nisafo sirana

sady menatra sy nangaihay,

satria mitondra ny fahafaham-barakan’ny fahatanorako aho.»

20Moa zanaka malala loatra ho ahy va i Efraima,

zanaka mahazo tombom-pitia?

fa isaky ny miteny mamely azy Aho,

dia mba mahatsiaro azy ihany indray;

ka mangotika ny atiko noho ny aminy?

Eny hamindra fo aminy Aho. - teny marin’i Iaveh. -

21Manangàna famantaran-dalana, manorena famolaina ho anao,

tandremo ny lalam-be,

ny lalana efa nalehanao.

Miverena, ry virjinin’i Israely,

miverena atỳ amin’ny tanànanao indray.

Mandra-pahoviana no hiriariavanao,

ry zanaka vavy mpiodina?

22Fa nahary zava-baovao amin’ny tany i Iaveh:

vehivavy hanodidina lehilahy.

Fanarenana nampanantenaina an’i Jodà

23Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Izao teny izao koa no holazaina

any amin’ny tanin’i Jodà, sy amin’ny tanànany,

raha avy izay hampodiako ireo lasan-ko babo tamin’izy ireo:

Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, ry firenen’ny fahamarinana,

ry tendrombohitry ny fahamasinana!

24Honina ao avokoa i Jodà sy ny tanànany rehetra,

ny mpiasa tany mbamin-dry zareo mitarika ny biby fiompy.

25Fa ny fanahy mangetaheta, hampisotroiko,

ary ny fanahy reraka, hovokisako.

26Tamin’izay, dia nahatsiaro aho, ka hitako

fa mamy ny torimaso azoko.

I Israely sy i Jodà

27Indro, avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, -

hamafazako eo amin’ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà,

masombolin’olombelona sy masombolim-biby.

Ka izao no hitranga: toy ny niambenako azy ireo:

hongotana, hazera, harodana,

horavana ary hampahorina,

28no hiambenako azy kosa,

haorina sy hambolena, - teny marin’i Iaveh. -

Samy mitondra ny vokatry ny nataony

29Amin’izany andro izany, tsy hisy intsony hanao hoe:

Ny ray no nihinam-boaloboka maharikivy,

ka ny zanany no madilo nify.

30Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olon-drehetra:

izay mihinam-boaloboka maharikivy, na iza na iza,

dia izy ihany no hadilo nify koa.

Fanekem-pihavanana vaovao

31Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, -

hanaovako fanekena vaovao

amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:

32ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany,

tamin’ny andro nitantanako azy,

nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

fanekena nivadihan’izy ireo,

na dia vadiny aza Aho.

33Fa izao no fanekena

hataoko amin’ny taranak’i Israely,

rehefa afaka izany andro izany, - teny marin’i Iaveh: -

Hataoko ao anatiny ny lalàko,

dia sady hosoratako ao am-pony;

ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho,

ary izy ireo ho oloko.

34Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,

na olona hampianatra ny rahalahiny,

hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!»

Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh.

Satria havelako ny haratsian’izy ireo

ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Haharitra i Israely

35Izao no lazain’i Iaveh,

izay manome ny masoandro, hanazava amin’ny antoandro;

sy mametra lalàna harahin’ny volana aman-kintana

hanazava amin’ny alina;

mampanonja ny ranomasina, ka mirohondrohona ny onjany;

- i Iavehn’ny tafika no Anarany: -

36Raha mitsahatra izany lalàna izany, na oviana na oviana,

eo anatrehako, - teny marin’i Iaveh, -

dia hitsahatra amin’izany koa ny taranak’i Israely,

tsy ho firenena mandrakizay eo anatrehako.

37Izao no lazain’i Iaveh:

Raha azo refesina ny lanitra ambony,

ka azo takarina ny fanorenan’ny tany ambany,

dia hakìfiko koa ny taranak’i Israely rehetra,

noho izay rehetra efa nataony, - teny marin’i Iaveh. -

38Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, -

hanorenana indray ity tanàna ity, ho an’i Iaveh,

hatramin’ny tilikambon’i Hananeela ka hatramin’ny vavahadin’ny Zorony.

39Ny tady famolaina hohenjanina mahitsy,

eo amin’ny havoan’i Gareba,

ka hasangodina ho any Gôà.

40Ny lohasaham-paty aman-davenona rehetra,

mbamin’ny saha rehetra hatramin’ny lohasahan-driaka Sedrôna,

ka hatramin’ny zorom-bavahadin-tSoavaly mitodika atsinanana

dia ho fitoerana masina ho an’i Iaveh,

ary tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help