Salamo 63 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 63 (Volgata 62)Faniriana an’Andriamanitra

1 Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà .

2Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao,

mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina;

mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko,

ao amin’ny tany maina mangentana tsy misy rano.

3Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina,

mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao.

4Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao,

ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro.

5Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho,

hanandra-tanana amin’ny Anaranao.

6Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan’ny fanahiko,

ka midera Anao ny vavako, amin’ny molotro falifaly.

7Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho,

dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina.

8Fa Ianao no vonjiko,

ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no iravoravoako.

9Tafaraikitra aminao ny fanahiko;

manohana ahy ny Tananao ankavanana.

10Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa

dia hidina ambanin’ny tany.

11Hatolotra ho an’ny sabatra,

ho rembin’ny amboahaolo.

12Dia hifaly amin’Andriamanitra ny mpanjaka;

ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy,

satria hakombona ny vavan’ny mpandainga.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help