1Maro no manota hahazoam-bola;
ary izay maniry hanan-karena dia mamily ny masony.
2Mitsofoka anelanelan’ny vato roa ny tsimatra;
miditra anatin’ny fivarotana sy fividianana toy izany koa ny ota.
3Raha tsy miraikitra mafy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ianao,
dia ho rava faingana ny tranonao.
Ny teny lazaina4Amin’ny fanetsiketsehana ny sivana, no ijanonan’ny faikany betsaka;
amin’ny tenin’ny olona koa, no isehoan’ny kilemany.
5Ny memy no fizahan-toetra ny sinin’ny mpanao tanimanga;
ary ny resany kosa no fizahan-toetra ny olombelona.
6Ny voan’ny hazo no ahafantarana ny tany aniriany;
toy izany koa ny teny maneho ny hevitry ny fon’ny olombelona.
7Aza midera olona alohan’ny nitenenany,
fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona.
Ny rariny8Raha mikatsaka ny fahamarinana ianao, dia hahatratra azy,
ka hitafy azy toy ny akanjom-boninahitra.
9Mivory eo amin’izay namany ny vorona;
miverina amin’izay manaraka azy, toy izany koa, ny fahamarinana.
10Ny liona mikendry ny rembiny;
toy izany koa ny fahotana mikendry izay manao ny tsy rariny.
11Fahendrena mandrakariva ny tenin’ny olona tia vavaka;
fa miovaova hoatra ny volana kosa, ny adala.
12Tandremo ny fotoana raha ho any amin’ny adala ianao,
fa ny olona mieritreritra kosa dia aoka ho eo afovoany mandrakariva ianao.
13Maharikoriko ny resaky ny adala:
mikakakaka eo amin’ny hafaliana noho ny fahotana ny hehiny.
14Mampitsangana ny volon-doha ny fitenin’izay fatra-pianiana,
rehefa izy no mifanditra, mitampin-tsofina ny olona.
15Mahalatsa-dra ny fifandiran’ny mpiavonavona;
ary mampalahelo ny mihaino ny famoapoàhany.
Ny tsiambaratelo16Very ny fitokiana an’izay manambara ny tsiambaratelo
ary tsy hahita sakaiza araka ny sitrany intsony izy.
17Tiavo ny sakaizanao, ary aza mivadika aminy;
fa aza midodododo any aminy intsony,
raha manambara ny tsy ambaratelo avy aminy ianao.
18Satria toy ny olona namono nahafaty ny fahavalony
no namonoanao ny fitiavan’ny namanao.
19Ary toy ny raha navelanao handositra ny vorona teo an-tananao
no nampandosiranao ny sakaizanao, tsy hahatratra azy intsony ianao.
20Aza manenjika azy, fa efa lasa lavitra izy,
nandositra toy ny gazela tafatsoaka tamin’ny fandrika izy.
21Bandìna ny ratra, ary toy izany koa no hihavanana indray,
rehefa nifanala baraka;
fa raha izay nanambara ny tsy ambaratelo kosa,
dia tsy manam-panantenana intsony.
Fihatsarambelatsihy22Mamoron-tsy fahamarinana izay maniringiri-maso,
ary tsy misy olona afa-miala amin’izany.
23Eo imasonao izy malefaka am-bava erỳ, migaga ny teninao;
nony avy eo anefa izy mivadika ny fiteniny,
ary ahodiny any amin’ny hevitra mamohehatra ny teninao.
24Maro ny zavatra tsy tiako mainty, fa tsy misy tahaka io;
ary ny Tompo koa mankahala azy.
25Izay manipy vato savoan-danitra manipy azy amin’ny lohany;
toy izany ny famelezana am-pitaka, mandratra ny mpamitaka.
26Izay mihady lavaka no hianjera ao;
ary izay mamela-pandrika no ho voan’izany.
27Izay manao ratsy, hahita izany ratsy izany
hanakodia ny tenany,
ary tsy ho fantany akory, izay iavian’izany aminy.
28Ao am-bavan’ny mpiavona ny fananihaniana amam-panalam-baraka,
fa mihendry azy toy ny liona kosa ny famalian-dratsy.
29Ho voan’ny fandrika izay mifaly amin’ny manjò ny tia vavaka,
ary ho levon’ny fijaliana alohan’ny hahafatesany izy.
Lolom-po30Mendrika hankahalaina koa ny lolom-po amam-pahatezerana,
ary manana izany ny mpanota.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.