1Tamin’ny andro fahatelo, niakanjo ny akanjon’ny mpanjaka i Estera, dia niseho teo amin’ny kianja anatin’ny tranon’ny mpanjaka, teo anoloan’ny efitranon’ny mpanjaka. Ny mpanjaka izany, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana, tao an’efitranon’ny mpanjaka, tandrifin’ny vavahadin’ny lapa.
2Nony hitan’ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja ny mpanjakavavy Estera, dia nahita fitia teo imasony izy, ka notolorany ny tehim-bolamena teny an-tanany.
3Dia nanatona i Estera ka nanendry ny loha-tehina. Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy, ary inona no angatahinao? Fa omeko anao na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza.»
4Dia hoy i Estera: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka ho tonga ao amin’ny fanasana efa namboariko ho azy ny mpanjaka sy i Amàna.»
5Ka hoy ny mpanjaka: «Aoka hantsoina miaraka amin’izay i Amàna, mba hanao izay nolazain’i Estera.» Ka dia nankany amin’ny fanasana namboarin’i Estera ny mpanjaka mbamin’i Amàna.
6Teo am-pisotroan-divay, hoy ny mpanjaka tamin’i Estera: «Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Inona no irinao? Fa ho azonao, na dia ny antsasaky ny fanjakana aza.»
7Hoy ny navalin’i Estera: «Izao no angatahiko sy iriko:
8Raha nahita fitia eo imason’ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko, sy hanatanteraka izay iriko, aoka ny mpanjaka ho tonga ao amin’ny fanasana hamboariko ho azy, miaraka amin’i Amàna, dia hamaly ny fanontanian’ny mpanjaka aho rahampitso.»
9Tamin’izany andro izany i Amàna nivoaka tamin-kafaliana sy haravoam-po, kanjo nahita an’i Mardokea teo am-bavahadin’ny mpanjaka tsy nitsangana na niraika teo anatrehany, dia tezitra loatra tamin’i Mardokea izy.
10Nanindry fo ihany anefa i Amàna, ka lasa nody tany aminy. Raha efa izany dia nampanalain’i Amàna ny sakaizany sy i Zaresa vadiny,
11dia nolazainy tamin’ireo ny haavon’ny hareny, ny hamaroan’ny zanany, ny fiambonian’ny voninahitra nomen’ny mpanjaka azy, fa nasandrany ho ambony noho ny andriandahy ama-mpanompony izy,
12ary izaho irery aza, hoy izy indray, no noraisin’i Estera mpanjakavavy hiaraka amin’ny mpanjaka tao amin’ny fanasana namboariny, sady mbola nasaina indray koa aza aho hiaraka amin’ny mpanjaka any aminy rahampitso.
13Kanefa tsy mahafa-po ahy izany rehetra izany, raha mbola hitako koa i Mardokea, ilay Jody, mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka.
14Ka hoy i Zaresa vadiny, sy ireto sakaizany rehetra: «Aoka hanamboarana hazo dimampolo hakiho ny haavony, ary rahampitso maraina dia hangatahinao amin’ny mpanjaka hahantona eo i Mardokea; ianao kosa handeha an-kafaliana ho any amin’ny fanasana miaraka amin’ny mpanjaka.» Nankasitrahin’i Amàna izany hevitra izany, ka dia nampanamboatra ilay hazo izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.