2Tantara 30 - Malagasy Catholic Bible

Famoriana ny vahoaka hankalaza ny Paka

1Nandefa iraka ho any amin’i Israely rehetra sy i Jodà i Ezekiasa ary nanoratra taratasy ho any amin’i Efraima sy i Manase koa, hankanesan’izy ireo ao an-tranon’i Iaveh ao Jerosalema, hanao ny Paka ho fankalazana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

2Nanao fivoriana fakan-kevitra ny amin’ny hankalazana ny Paka amin’ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny lehibe mbamin’ny fiangonana rehetra tao Jerosalema;

3noho izy tsy azo natao tamin’ny fotoany, satria ny mpisorona efa nanamasina ny tenany mbola tsy ampy isa loatra, ary ny vahoaka koa mbola tsy vory tao Jerosalema.

4Noheverin’ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra ho mety tokoa izany.

5Dia nanapa-kevitra ny handefa teny amin’i Israely rehetra, hatrany Bersabea ka hatrany Dana izy ireo, mba samy ho tonga ao Jerosalema ny olona, hanao ny Paka ho fankalazana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa tsy nankalazain’izy ireo mitamba-be intsony, araka ny voasoratra.

6Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin’ny mpanjaka sy ny lehibe any amin’i Israely sy i Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin’ny mpanjaka nanao hoe: «Ry zanak’i Israely ô, miverena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely, dia hiverina amin’izay sisa Izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.

7Aza manahaka ny rainareo aman-drahalahinareo, izay nanota tamin’i Iaveh, ka nataony nianjadian’ny fahoriana, araka izao hitanareo izao.

8Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Iaveh ny tananareo, tongava ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hialan’ny afon’ny fahatezerany aminareo.

9Fa raha miverina amin’i Iaveh ianareo, dia hahita famindram-po amin’ireo nitondra azy ho babo ny rahalahinareo aman-janakareo, ka tsy haviliny tsy hijery anareo ny Tavany, raha miverina aminy ianareo.»

10Notetezin’ny mpihazakazaka toy izany avokoa ny tanàna any amin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ka hatrany amin’i Zabolôna; nefa nihomehezan’ny olona sy novazivaziny foana izy.

11Ny olona sasany tamin’ny Asera sy i Manase ary i Zabolôna no hany nanetry tena ka tonga tany Jerosalema.

12Any amin’i Jodà koa no namelaran’Andriamanitra ny tanany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin’i Iaveh.

13Vahoaka be no nivory tao Jerosalema hanao ny fetin’ny Azima tamin’ny volana faharoa: fivoriana lehibe dia lehibe izay.

14Nitsangana izy ireo, dia noravany avokoa ny ôtely tao Jerosalema, noravany koa ny ôtely fanaterana zava-manitra, ka nariany tany an-dohasahan’i Sedrôna.

Ny Paka sy ny mofo azima

15Izay vao namono ny Paka izay ireo, tamin’ny andro faha-14n’ny volana faharoa. Menatra ny mpisorona sy ny Levita, ka nanamasina ny tenany, dia nanolotra sorona dorana, tao an-tranon’i Iaveh.

16Nipetraka teo amin’ny fitoerana fipetrahany araka ny fandaharana, araka ny lalàn’i Môizy, ilay olon’Andriamanitra izy ireo; ary ny mpisorona nandraraka ny ra, noraisiny avy any an-tanan’i Levita.

17Ny Levita dia notendrena hamono ny soron’ny Paka, ho an’izay rehetra tsy madio mba hanokana azy ireo ho an’i Iaveh; fa betsaka ny olona teo amin’ny fiangonana no tsy mbola nanamasina ny tenany.

18Fa betsaka tamin’ny vahoaka, maro tamin’i Efraima, i Manase, i Isakara, i Zabolôna, no dia tsy nandio tena, ka nihinana ny Paka ihany, nefa tsy nanaraka izay voasoratra. Fa dia nivavaka ho azy ireo i Ezekiasa, nanao hoe:

19«I Iaveh mpamindra fo anie hamela heloka an’ireo nandraikitra ny fony hitady an’Andriamanitra, i Iaveh, Andriamanitry ny razany, na dia tsy ananany aza ny fahadiovana ilaina ao amin’ny fitoerana masina.»

20Nihaino an’i Ezekiasa i Iaveh, ka namela ny heloky ny vahoaka.

21Ny zanak’i Israely izay tao Jerosalema nankalaza ny fetin’ny Azima tamin-kafaliana lehibe, nandritra ny hafitoana; ary isan’andro ny Levita sy ny mpisorona nidera an’i Iaveh tamin’ny zava-maneno mikarantsana, ho fankalazana an’i Iaveh.

22Niteny tamin’ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, i Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin’ny fanompoana an’i Iaveh izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin’ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

23Niray hevitra ny fiangonana rehetra, fa hankalaza hafitoana indray, ka nankalazainy an-kafaliana ny hafitoana;

24fa ny fiangonana dia nomen’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, ombalahy 1.000 sy ondry 7.000, ary ny lehibe koa efa nanome azy ombalahy 1.000 sy ondry 10.000, ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.

25Niara-nirobiroby ny fiangonan’i Jodà rehetra, ny mpisorona sy ny Levita, ny fiangonana rehetra avy any amin’i Israely ary ny vahiny rehetra avy any amin’i Israely, na niorim-ponenana teo amin’i Jodà.

26Ka nisy fifaliana lehibe tao Jerosalema, ary tsy mbola nisy toy izany tao Jerosalema hatramin’ny andron’i Salômôna zanak’i Davida, mpanjakan’i Israely.

27Nitsangana ireo mpisorona levitika, dia nitso-drano ny vahoaka, ary voahaino ny feon’izy ireo, ka tafapaka hatrany amin’ny fonenana masin’i Iaveh hatrany an-danitra, ny vavaka nataony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help