1Ka dia zava-boaary ihany koa no nanasaziana azy ireo an-drariny, sy nampijaliana azy tamin’ny biby sesehena.
2Ary ho solon’izany loza izany kosa, dia soa no nomenao ny vahoakanao, dia nanafa-po ny fahalianany fatratra Ianao, ka nanamboatra sakafo mahagaga ho azy, nanome papelika hohaniny.
3hany ka ireo sasany moa na dia lian-kihinana aza, raha nahita ny biby kely nalefa hamely azy fa ratsy endrika, dia naloiloy ity zavatra nahaliana azy andavanandro aza, fa ireto sasany kosa, avy niari-kanoanana kelikely foana, dia indro nankatelina hanim-baovao.
4satria tsy maintsy nampijalian’ny mosary tsy azony andosirana ireo voalohany, ireo mpampahory; ireto an-daniny kosa, hanehoana fotsiny ihany ny fijaliana manjò ny fahavalony.
I Ejipta sy i Israely; valala sy bibilava varahina.5Ary tokoa izany, satria raha avy izay niaretan’ireto ny fisamontotry ny biby masiaka sy nahafatesany tamin’ny kaikitry ny menarana miolikolika, tsy naharitra hatramin’ny farany ny hatezeranao; fa kelikely foana ihany no nitebiteben’izy ireo, ho fananarana azy,
6dia nahazo mari-pamonjena izy, mba hampahatsiaro azy ny didin’ny lalànao,
7satria izay nitodika tany amin’izany dia sitrana, tsy noho ny zavatra hitan’ny masony anefa, fa noho Ianao, Mpamonjy ny olona rehetra.
8Sady naneho tamin’ny fahavalonay koa Ianao tamin’izany, fa Ianao no mahafaka amin’ny loza rehetra.
9Satria, izy ireo moa, matin’ny kaiki-balala mbamin’ny moka, ka tsy hita izay azo natao hamonjena ny ainy, fa mendrika azy ny hosaziana toy izany.
10Ny zanaka kosa, tsy resin’ny kaiki-menarana be poizina, fa tonga namonjy sy nanasitrana azy ny indrafonao.
11Mba hahatsiarovan’izy ireo indray ny teninao, no naharatra azy sy nahasitrana azy faingana indray, fandrao tonga hadinony daholo izany, ka very anjara amin’ny soa ataonao izy.
12Tsy ahitra na fanafody no nahasitrana azy, fa ny teninao, ry Tompo, izay mahasitrana ny zavatra rehetra;
13satria manam-pahefana hamelona sy hamono Ianao; mitondra ho eo am-bavahadin’ny fonenan’ny maty Ianao, dia mamerina avy any indray.
14Ny mamono no hain’ny olombelona noho ny haratsiam-panahiny; fa ny mamerina ny fanahy efa tafavoaka, na manafaka ny fanahy efa voarain’ny Seoly dia tsy hainy.
I Ejipta sy i Israely; rano, havandra, orana, afo.15Ny mandositra ny tananao anefa, dia tsy azo atao.
16Ry zareo mpanohitra fivavahana izay mihambo ho tsy mahalala anao, dia nokapohin’ny herin’ny sandrinao: rano be tsy fahita sy havandra, aman’orana tsy miantra no nampijaly azy, ary afo no nandevona azy.
17Ny mahagaga indrindra dia izao: teo anatin’ny rano mamono ny zavatra rehetra, dia vao mainka nidedadeda ny afo; fa miady manampy ny marina izao rehetra izao.
18Mbetika mihamalefaka ny lelafo, mba tsy hahalevona ny biby nalefa hamely ny mpanohitra ny fivavahana, ka ho fantany amin’ny fahitana an’izany, fa tanahin’ny fitsaran’Andriamanitra izy ireo.
19Mbetika nidedadeda ao afovoan’ny rano izy; ka filelalela mahery noho izay antonona ny afo ny azy amin’izany, mba handevona ny vokatra rehetry ny firenena tsy tia fivavahana.
20Hafa lavitra amin’izany kosa ny amin’ny vahoakanao fa novokisanao hanin’Anjely fa tsy miasa akory dia nomenao mofo voavoatra avy any an-danitra misy izay fankafizana rehetra, anandramana ny tsiro rehetra.
21izany zava-pihinana avy aminao izany dia maneho ny halemem-panahinao amin’ny zanakao, ary izany mofo izany izay nifanaraka amin’izay irin’ny olona mihinana azy, dia nanjary izay tian’izy io.
22Maharitra tsy miempo amin’ny herin’ny afo, ny oram-panala aman-dranomandry mba hahafantaran’izy ireo fa ny afo izay mirehitra ao amin’ny havandra, sy manjelanjelatra anatin’ny orana, dia mandevona ny vokatry ny fahavalony;
23fa tsy nahalala intsony ny heriny, nony avy eo, mba hamelomany ny marina kosa.
24Satria ny zava-boaary izay manaiky Anao, Mpahary azy, dia manampatra ny heriny hampijaly ny ratsy fanahy; fa milefaka kosa hampahita soa an’izay matoky Anao.
25Ka noho izany dia nety nilefitra hanaraka izany fiovana rehetra izany ny zava-boaary, ka nanaiky ny didin’ny fahasoavanao, mpamelona ny zavatra rehetra, araka ny sitrapon’izay nanam-pilana avy:
26mba hahalalan’ny zanakao tianao, ry Tompo, fa tsy ny voankazo samihafa karazana no mamelona ny olona, fa ny teninao no mitahiry an’izay mino Anao.
27Satria izay mahatoha ny herin’ny afo mandevona, dia miempo moramora, nony vao notanîn’ny tanamasoandro kely foana:
28hampianarana ny olona rehetra fa tokony hialoha ny masoandro, amin’ny fisaorana Anao, sy fitsaohana Anao, alohan’ny andro miposaka.
29Fa ny amin’ny tsy mankasitraka kosa, dia hiempo toy ny ranomandry ririnina ny fanantenany sy handeha toy ny rano foana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.