Ekleziastika 36 - Malagasy Catholic Bible

Vavaka hahafahan’i Israely sy hiarenany

1Mamindrà fo aminay,

ry Tompo Andriamanitr’izao rehetra izao, ka jereo:

2ary arotsahy amin’ny firenena rehetra ny fampahatahoranao.

3Atsangano hamely ny firenen-kafa ny tananao,

ary aoka ho tsaroan’ny ainy ny herinao.

4Araka ny nanehoanao ny fahamasinanao teo anatrehan’izy ireo namay anay,

no anehoy ny fahalehibeazanao eo imasonay,

mamay ny mpampahory anay.

5Ary aoka ho fantatr’izy ireo, tahaka ny nahafantaranay,

fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo!

6Avereno indray ny famantarana, ataovy indray ny fahagagana,

7ankalazao ny tananao sy ny sandrinao ankavanana.

8Hetseho ny haviniranao, arotsaho ny hatezeranao,

9aringano ny mpankahala, fongory ny fahavalo.

10Hafaingano ny fotoana, ary tsarovy ny fianianana;

ka aoka hankalazaina ny asanao lehibe!

11Aoka holevonin’ny afo mahamay izay sendra afa-nandositra,

ary ho hitan’izay mampahory ny vahoakanao ny fahaverezana.

12Montsàny ny lohan’ny lehiben’ny fahavalo,

izay manao hoe: «Tsy misy afa-tsy isika ihany!»

13Angony avokoa ny fokon’i Jakôba

ka avereno aminy indray ny lova

toy ny tamin’ny voalohany.

14Tompo ô, mamindrà fo amin’ny vahoakanao,

izay antsoina amin’ny Anaranao,

sy amin’i Israely izay nataonao toy ny lahy matoa.

15Iantrao ny tanàna misy ny fitoeranao masina,

dia i Jerosalema fitoerana fitsaharanao.

16Fenoy ny teny tò avy aminao i Siôna

ary ny voninahitrao, ny vahoakanao.

17Mitsangàna ho vavolombelona

miaro an’ireo zava-boaarinao hatramin’ny voalohany

ary tanteraho ny fampanantenana nataonao tamin’ny Anaranao.

18Valio soa ireto olona manantena Anao,

ary aoka ho hita fa tò ny teny ny mpaminaninao.

Henoy, Tompo ô, ny vavak’izay mitalaho aminao.

19araka ny tso-dranon’i Aarôna tamin’ny vahoakanao,

ary aoka ho fantatry ny mponina rehetra eto an-tany,

fa Ianao no Tompo Andriamanitra amin’ny taona rehetra.

Mahaiza mamantatra

20Mandray hanina isan-karazany ny vavony,

nefa misy hanina tsaratsara kokoa noho ny hafa.

21Fantatry ny lanilany amin’ny tsirony ny henan-java-dia;

ary fantatry ny fo manan-tsaina toy izany koa ny teny mamitaka.

22Mahatonga alahelo ny fo ratsy,

nefa mitandrin-tena aminy ny olona mahalala zavatra.

Vehivavy hofidina

23Raisin’ny vehivavy izao karazam-bady rehetra izao,

nefa misy zazavavy tsaratsara kokoa noho ny hafa.

24Mahamiramirana endrika ny hatsaran-tarehim-behivavy,

ary mihoatra noho ny fanirian’ny lehilahy fatratra indrindra.

25Raha hita eo amin’ny lelany koa ny hatsaram-po

aman-kalemem-panahy,

dia tsy anisan’ny zanak’olombelona tsotra izao intsony ny vadiny.

26Efa nahazo ny fototry ny hareny ny olona mahazo vady,

izay manana mitovy aminy sy andry hiankinany.

27Eo amin’izay tsy misy fefy, dia lasan-ko fandrobana ny tany:

eo amin’izay tsy misy vehivavy,

ny lehilahy dia misento mirenireny.

28Zovy moa no hatoky ny jiolahy mailaka

izay mitety tanàna ombieny ombieny?

Toy izany ny lehilahy tsy manam-ponenana;

fa izay aharivan’ny andro no andriany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help