Zakaria 8 - Malagasy Catholic Bible

Fanantenam-pamonjena hoentin’ny Mesia

1Tonga ny tenin’i Iavehn’ny tafika, nanao hoe:

2Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho, sady entim-pahatezerana mafy Aho noho ny aminy.»

3Izao no lazain’i Iaveh: «Tafaverina eto i Siôna Aho, ka te honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: ny tanànan’ny fahamarinana; ary ny tendrombohitr’i Iavehn’ny tafika, hatao hoe: ny tendrombohitry ny fahamasinana.»

4Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray, hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema, samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.

5Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy milalao, eny amin’ny kianjany.»

6Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany.» - teny marin’i Iavehn’ny tafika? -

7Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana;

8hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamaniny, amin’ny rariny sy ny hitsiny.»

9Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aoka hatanjaka ny tananareo, ianareo izay mandre amin’izao andro izao, ireto teny avy amin’ny vavan’ny mpaminany ireto, izay niteny tamin’ny andro nametrahana ny fanorenana ny tranon’i Iavehn’ny tafika, mba ho voaorina indray ny tempoly.

10Talohan’izany andro izany tsy nisy karama ho an’ny olona, tsy nisy karama ho an’ny biby, tsy nisy azon’izay nivoaka sy niditra hitokiana amin’ny fahavalo, fa nalefako hifamely avokoa ny olona rehetra.

11Ankehitriny kosa Aho efa tsy tahaka ny tamin’ny andro taloha intsony, amin’izay sisa amin’ity firenena ity, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -

12- Fa ny voa afafy hirobona, ny voaloboka, hamoa ny voany; ny tany, hahavokatra ny vokany; ny lanitra, handatsaka ny andony; ary izay sisa amin’ity firenena ity no hataoko tompon’izany zavatra rehetra izany.

13Ary hisy toy izao: Toy ny naha-fanozonana anareo tany amin’ny firenena, ry taranak’i Jodà sy taranak’i Israely, no hanafahako anareo, ka hahatongavanareo ho fitsofan-drano. Aza matahotra fa aoka hatanjaka ny tananareo!»

14Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Toy ny nikasako hahatonga loza taminareo fony nihantsy ny hatezerako ny razanareo, hoy i Iavehn’ny tafika, ka tsy nanenenako izany,

15no ikasako kosa indray amin’izao andro izao, ny hanisy soa amin’i Jerosalema sy amin’ny taranak’i Jodà; ka aza matahotra.

16Izao no zavatra tsy maintsy hotandremanareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy; mamoaha fitsarana eo am-bavahadinareo araka ny marina ary mba hihavanan’ny olona;

17aza misaintsaina ao am-ponareo ny lozan’ny namanareo, ary aza tia ny fianianan-tsy to; fa halako avokoa izany rehetra izany,» - teny marin’i Iaveh. -

Valin’ny fanontaniana momba ny fifadian-kanina

18Tonga tamiko ny tenin’i Iavehn’ny tafika, nanao hoe:

19Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»

Fanantenam-pamonjena hoentin’ny Mesia

20Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mbola ho avy koa ny firenena ama-mponina avy amin’ny tanàna maro.

21Ny mponina avy amin’ny iray, hankany amin’ny iray hafa, ka hanao hoe: ‹Andao, andao re isika, hifona amin’i Iaveh sy hitady an’i Iavehn’ny tafika! - Izaho koa mba handeha!›

22Ka vahoaka maro amam-pirenena mahery no ho avy hitady an’i Iavehn’ny tafika ao Jerosalema, sy hifona amin’i Iaveh.»

23Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, hisy folo lahy avy amin’ny fitenim-pirenena rehetra, ka hihazona, eny hihazona ny sisin-damban’ny Jody anankiray, ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo koa izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help