1Ohabolan’i Salômôna, zanak’i Davida mpanjakan’i Israely:
2hahalalana ny fahendrena amam-pahaizana,
hahafantarana ny lahateny misy saina;
3hahazoana fampianarana mazava,
ny fahamarinana, ny rariny, ary ny hitsiny;
4hanomezam-pahafantarana ny kely saina,
ary fahalalana sy fandinihana ho an’ny tanora.
5Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy;
ary ny manan-tsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana,
6dia ho fantany ny ohabolana aman-teny saro-pantarina,
ny oha-teny sy ny ankamantatry ny olon-kendry.
7Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena;
fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.
1. TENY MIALOHAFANANARAN’NY FAHENDRENANy hendry: Aza miaraka amin’ny olon-dratsy8Anaka, henoy ny fampianaran-drainao,
ary aza arianao ny fanoroan-dreninao,
9fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany,
ary ravaka ho an’ny vozonao.
10Anaka, raha misy mpanota mitady hanambosy anao,
aza mety mankasitraka ianao.
11Raha izy ireo manao hoe: «Avia hiaraka aminay;
aoka hanotrika handatsa-dra isika;
aoka isika hamela-pandrika fotsiny izao amin’ny tsy manan-tsiny.
12Aoka hitelina azy velona isika, hoatra ny Seoly;
hanao azy telomoka, toy ireo midina any an-davaka.
13Fa hahazo fananana sarobidy isan-karazany isika,
hofenointsika babo ny tranontsika;
14hahazo ny anjaranao miaraka aminay ianao amin’ny filokana;
kitapo iray ihany no hiombonantsika rehetra.»
15Aza mandeha miaraka aminy eny an-dalana, anaka,
avilio ny tongotrao tsy ho amin’ny sakeli-dalany;
16fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy ny tongony;
ary midodododo handatsa-dra izy ireo.
17Velarim-poana anefa ny fandrika harato,
raha eo imason’ny zava-manana elatra;
18izy ireo koa dia ny rany ihany no anaovany otrika,
ny ainy ihany no hamelarany fandrika.
19Izany no lalan’ny olona rehetra fatra-pila harena;
fa ny tombom-pihariana maharesy an’izay mitana azy.
Ny fahendrena: Teny ho an’ny tsy miraharaha20Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena;
manandra-peo any amin’ny kianja izy.
21Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy;
milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe:
22«Mandra-pahoviana, ry kely saina, no hitiavanareo ny fahakelezan-tsaina?
Mandra-pahoviana no hifalian’ny mpananihany amin’ny fananihaniana,
ary hankahalan’ny adala ny fahaizana?
23Mitodiha ianareo hihaino ny fananarako,
dia indro haidiko ao aminareo ny fanahiko,
hampahafantariko anareo ny teniko.
24Noho izaho miantso anefa, fa lavinareo,
noho izaho mamela-tanana, fa tsy misy mitandrina,
25noho ianareo tsy manahy ny saina atolotro rehetra,
ary tsy tianareo akory ny fananarako:
26dia izaho kosa hihomehy anareo tra-pahoriana,
hananihany anareo raha avy izay zava-mahatahotra anareo,
27raha avy hamely anareo, toy ny rivo-doza, ny zava-mahatahotra,
raha hanarona anareo, toy ny tafio-drivotra ny loza,
raha hianjeràm-pahoriana amin’ahiahy ianareo.
28Amin’izay izy ireo hiantso ahy fa tsy hovaliako,
hitady ahy fa tsy hahita ahy,
29satria izy ireo nankahala ny fahaizana,
ka tsy naniry ny fahatahorana an’i Iaveh;
30satria tsy nandray ny saina natolotro,
ary tsy nanao ho zavatra ny fananarako rehetra,
31dia hihinana ny vokatry ny lalany izy,
sy hivoky ny saim-pantatry ny tenany.
32Fa ny faniasiavan’ny tsy mahalala no mamono azy,
ary ny tokin’ny tsy misy saina no mahavery azy.
33Fa izay mihaino ahy kosa handry feizay;
ho velona amim-piadanana izy fa tsy hatahotra ny loza.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.