1Tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasa zanak’i Okoziasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria kosa i Jôakaza zanak’i Jehò. Ary 17 taona no nanjakany.
2Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, nanahaka ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, fa tsy niala tamin’izany.
3Ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh dia natolony teo an-tanan’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela mandrakariva izy.
4Nitaraina tamin’i Iaveh i Jôakaza, dia nihaino azy i Iaveh, fa hitany ity fahorian’i Israely, tamin’ny nampijalian’ny mpanjakan’i Siria azy,
5ka nanome mpamonjy ho an’i Israely i Iaveh. Nony afaka tamin’ny tanan’ny Sirianina ny zanak’i Israely dia nonina teo amin’ny lainy toy ny taloha indray.
6Kanefa izy ireo tsy mba niala tamin’ny fahotan’ny tranon’i Jerôbôama, izay nampanota an’i Israely, fa nizotra tamin’izany, ary na ny aseraha aza, mbola nitsangana tao Samaria.
7Fa izao ihany no vahoaka àry fiadiana navelan’i Iaveh ho an’i Jôakaza: mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, miaramila an-tongotra iray alina, fa naringan’ny mpanjakan’i Siria izy ireo, ka nampanjariany toy ny vovoka fanitsaky ny tongotra.
8Ny sisa tamin’ny asan’i Jôakaza mbamin’izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?
9Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôakaza ka nalevina tao Samaria, dia i Jôasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Ny nanjakan’i Jôasa tamin’i Israely (798-783)10Tamin’ny faha-37 taona nanjakan’i Jôasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tany Samaria kosa i Jôasa zanak’i Jôakaza; 16 taona no nanjakany.
11Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa tsy nisy nialany na dia iray aza na fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, fa nanaraka izany.
12Ny sisa tamin’ny asan’i Jôasa, mbamin’izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany tamin’i Amasiasa, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?
13Dia nody mandry amin’ny razany i Jôasa, ary i Jerôbôama no nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany; ka nalevina tao Samaria amin’ny mpanjakan’i Israely i Jôasa.
Ny nahafatesan’i Elisea14Ary i Elisea nararin’ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy i Jôasa mpanjakan’i Israely, dia nitomany teo ambonin’ny tavany nanao hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin’i Israely ama-mpitaingin-tsoavaliny!»
15Ka hoy i Elisea taminy: «Mangalà tsipìka aman-jana-tsipìka.» Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
16Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Ataovy ambonin’ny tsipìka ny tananao.» Nony nanao ny tanany ambonin’ny tsipìka izy, dia napetrak’i Elisea teo ambonin’ny tanan’ny mpanjaka ny tanany, ka hoy izy:
17«Vohay ny varavarankely tandrifin’ny atsinanana», dia namoha izy; ary hoy i Elisea: «Mandefasa zana-tsipìka iray»; ka nandefa zana-tsipìka iray izy; dia nataon’i Elisea hoe: «Zana-tsipìkan’ny famonjena avy amin’i Iaveh iny, dia zana-tsipìkan’ny famonjena hamelezana ny Sirianina. Fa hamely ny Sirianina ao Afeka ianao, mandra-paharingany.»
18Ary hoy indray i Elisea: «Raiso ny zana-tsipìka.» Dia nandray izy. Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Tifiro ny tany», ka nitifitra intelo izy dia nitsahatra.
19Fa tezitra taminy ity olon’Andriamanitra ka nanao taminy hoe; «Tokony ho nitifitra indimy na inenina ianao, ary amin’izany, dia ho namely ny Sirianina mandra-paharingany mihitsy, fa izao dia intelo monja no hamelezanao azy.»
20Maty i Elisea ka nalevina. Tamin’ny fitsingerenan’ny taom-baovao dia nisisika tamin’ny tany ny andian-jirika Moabita.
21Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin’ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan’i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin’ny tongony.
Ireo fandresena ny Arameanina22Tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Jôakaza dia nampahory an’i Israely i Hazaela mpanjakan’i Siria.
23Namindra fo tamin’izy ireo anefa i Iaveh ka niantra azy; nitodika azy Izy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba; tsy te-handringana azy ireo Izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak’ankehitriny.
24Ary maty i Hazaela mpanjakan’i Siria, ka i Benhadada zanany no nanjaka nandimby azy.
25Nalain’i Jôasa zanak’i Jôakaza teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela ireo tanàna nalain’i Hazaela tamin’ny adin’izy sy i Jôakaza rainy. Namely azy intelo i Jôasa dia azony indray ny tanànan’i Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.