1Makabeo 6 - Malagasy Catholic Bible

Ny nahafatesan’i Antiôkosy Epifana(Jereo 2Mak 9; 2Mak 1,11-17)

1Tamin’izany i Antiôkosy mpanjaka nitety ireo faritany avo. Nony reny fa any Persa any amin’i Elimaida, misy tanàna anankiray malaza amin-karena, be volafotsy sy volamena,

2manan-tempoly be zava-tsarobidy, misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra, fiadiana navelan’i Aleksandra zanak’i Filipo, mpanjakan’i Masedoanina, ilay nanjaka voalohany tamin’ny Grika,

3dia nankany izy, ka nitady haka hamabo ny tanàna; kanjo tsy nahomby izy, fa fantatr’ireo tompon-tanàna ny fikasany.

4Nitsangan-kiady aminy ireo, dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin’alahelo lehibe, hiverina ho any Babilôna.

5Tamin’izay nisy iraka tonga tany Persa nilaza taminy ny faharesen’ireo miaramila niditra tamin’ny tanin’i Jodà,

6fa hoe: «Nony nandroso nitondra tafika lehibe dia lehibe i Lisiasy, dia voatery handositra teo anoloan’ny Jody, ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin’ny fiadiana mbamin’ny miaramila sy ny babo azony tamin’ny tafika resy;

7noravany ny fahavetavetana natsangana teo ambonin’ny ôtely, tany Jerosalema, nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly; toy izany koa no nataony tany Betsora, anankiray amin’ny tanànany.»

8Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka, dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany, ka nidaboka teo amin’ny fandriany, sy nandraiki-nararin’alahelo, fa tsy tanteraka ny faniriany.

9Andro maro izy teo ihany, ary nihonaka lava tamin’ny fahorian-tsainy lalina. Nony nataony fa efa antomotra ny fahafatesany, dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe:

10«Ny torimaso nandao ny masoko, ary ny alahelo mandreraka ny foko,

11ka hoy aho anakampo: Alahelo lehibe manao ahoana ity mahazo ahy, ary hantsan-dàlina manao ahoana ity nilatsahako izao? Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin’ny fanjakako teo iny!

12Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao, ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony, ny mponina rehetra tany Jodea.

13Koa fantaro fa noho izany no niharan’izao loza izao amiko, ary indro aho ho faty amin’alahelo lehibe, atỳ an-tanin’olon-kafa.»

Ny naha mpanjaka an’i Antiôkosy faha-5

14Dia niantso an’i Filipo, anankiray amin’ireo sakaizany izy, ka nanendry azy hitondra ny fanjakany manontolo.

15Nomeny azy ny satroboninahiny, ny akanjony, ny fitomboka, nasainy nampianatra an’i Antiôkosy zanany sy hanabe azy hitondra ny fanjakana.

16Dia maty teo amin’izany toerana izany i Antiôkosy mpanjaka, tamin’ny taona faha-149.

17Rehefa nandre ny nahafatesan’ny mpanjaka i Lisiasy, dia natsangany hanjaka handimby azy i Antiôkosy zanany, izay notezainy hatramin’ny fahazazany sy nomeny anarana hoe Eopatôra.

Ny nanaovan’i Jodasy Makabeo fahirano an’i Jerosalema

18Ny miaramila tao amin’ny manda dia namahy an’i Israely tao amin’ny manodidina ny fitoerana masina, nataony lalandava izay hahasosotra azy ary nitsangan-ko tohan’ny firenena.

19Tapa-kevitra ny handrava azy i Jodasy ka namory ny vahoaka rehetra hanao fahirano azy.

20Dia nivory izy rehetra, nanao fahirano azy, tamin’ny taona faha-150, ary nanorina tilikambo fanipazam-bato sy milina hamelezana azy, izy ireo.

21Afa-nandositra anefa ny sasany tamin’izay nafahy rano, sady nisy Israelita maromaro mankahala ny fivavahana koa, nikambana tamin’izy ireo.

22Ka nandeha nankany amin’ny mpanjaka, nilaza taminy hoe: «Miandry mandra-pahoviana ianao vao hanome rariny anay, sy hamaly ny ratsy natao tamin’ny rahalahinay?

23Nilatsaka an-tsitrapo tamin’ny fanompoana an-drainao izahay, nanefa izay nolazainy sy nanatanteraka ny didiny izahay.

24Noho izany dia tonga fahavalonay ny zanaky ny vahoakanay; izay rehetra aminay tafalatsaka eo an-tanany dia voavono avokoa, ny lovanay norobainy.

25Ary tsy taminay ihany izy no naninji-tanana, fa tamin’ireo tany mifanolotra aminay rehetra koa.

26Jereo ange: efa mitoby eo anoloan’ny mandan’i Jerosalema izy izao, mba hanafahany azy, ary efa nohamafisiny koa ny tempoly, ary i Betsora koa.

27Ka raha tsy sakananao faingana mialoha izy, dia handroso eo ihany, ka tsy ho azonao tohaina intsony.»

Famelezan’i Antiôkosy sy i Lisiasy - Ady tao Bety Zakaria

28Nentin-katezerana ny mpanjaka, nony nandre izany, ka nantsoiny avokoa ny sakaizany, ny mpitari-tafiny, mbamin’ireo mpifehy ny mpitaingin-tsoavaly.

29Nisy miaramila mpikarama koa, tonga teo aminy, avy amin’ny fanjakana hafa sy amin’ny nosin-dranomasina.

30Izao no isan’ny tafiny: miaramila an-tongotra 100.000, an-tsoavaly 20.000, ary elefanta zatra ady 32.

31Nandroso nihazo any Idomea izy ireo, dia niorin-toby teo anoloan’i Betsora, niady naharitra ela izy, sady nanorina milina fiadiana, fa nivoaka nandoro azy ny Jody naneho herim-po lehibe.

32Tamin’izay, nialan’i Jodasy ny manda ka lasa izy nitoby tao Bety Zakaria, tandrifin’ny tobin’ny mpanjaka.

33Nifoha maraina koa ny mpanjaka, nasainy niainga tampoka nihazo ny lalana mankany Bety Zakaria ny tafiny, ka dia nivonon-kamely sy nampaneno trômpetra ny miaramila.

34Norosoany ranom-boaloboka amam-boaroihazo, teo imasony ny elefanta, mba hamporisika azy hiady.

35Nozarainy hatao anelanelan’ny isan-tokony avy ireo biby ireo, ka isan’elefanta dia notronin’ny miaramila 1.000 miakanjo fiarovan-tratra, makarakara vy, misatroka satroka varahina, ary mpitaingin-tsoavaly 500 voafantina, nilahatra teo anilany.

36Ireo an-tsoavaly ireo dia raikitra ho eo amin’izay misy ity biby mandrakariva, izay alehan’io no alehan’ireo koa, fa tsy misaraka aminy na oviana na oviana ireo.

37Eo ambonin’ny isan’elefanta, nisy tilikambo hazo mafy, ho fiarovana azy. Mifatotra manodidina ny tenany, amin’ny anjan-koditra, ka mpiady roa amby telopolo lahy, miady ao amin’io tilikambo io, no entin’ny elefanta iray, afa-tsy ny mpiandry azy.

38Ny mpitaingin-tsoavaly sisa, dia nalahatr’izy ireo, ho eo an-daniny roa, amin’ny tafika, mba hanahirana ny fahavalo sy hiaro ny antoko-miaramilany.

39Nony mitaratra amin’ny ampinga volamena sy varahina ny tanamasoandro, dia mamirapiratra ny tendrombohitra tarafin’ireo kosa, ka manjopiaka hoatra ny fanilo afo.

40Ny laniny iray amin’ny tafiky ny mpanjaka nivelatra teo amin’ny tendrombohitra avo, ny laniny iray kosa teo amin’ny lohasaha, ary nandroso tamim-pandeha matotra sy milahatra tsara izy ireo.

41Nivadi-po avokoa ny olona tamin’ny akoralavan’izany vahoaka izany, sy ny firodorodon’ny diany, ary ny fikitrakitran’ny fiadiany. Fa tena tafika maro indrindra sy mahery tokoa izany.

42Dia nandroso nitondra ny tafiny hiady i Jodasy, ka 600 lahy no nitsingidina tamin’ny tafiky ny mpanjaka.

43Ary i Eleazara, natao hoe koa i Abarôna, nahatazana iray tamin’ireo elefantan’andriana, sady avo mihoatra noho ny namany.

44Noheveriny fa tao ny mpanjaka, ka nahafoy ny ainy izy hamonjy ny fireneny, sy hamelon-tantara tsy maty ny anarany mandrakizay.

45Niezaka an-kasahiana nanatona an’io izy, namaky ny antoko-miaramila, namono ny teo ankavanany sy teo ankaviany; ka nisava nankeo an-daniny roa teo anoloany ny fahavalo.

46Dia nitsorofoka tao ambanin’ny elefanta izy, dia notrobarany io ka matiny, fa nidaraboka tamin’ny tany teo amboniny kosa ny elefanta, ka maty teo i Eleazara.

47Nahita ny herin’ny fanjakana sy izato fimamamàman’ny miaramila anefa ny Jody, ka nihataka teo anoloany.

Ny nahazoana an’i Betsora sy nanaovan’ny Sirianina fahirano an’i Siôna

48Niakatra ho ao Jerosalema tamin’izay ny miaramila tamin’ny tafiky ny mpanjaka, hitsena ny Jody: dia niorin-toby hamely an’i Jodea sy ny tendrombohitra Siôna ny mpanjaka.

49Nanaovany fanekem-pihavanana ny tao Betsora dia nivoaka ny tanàna izy ireo, fa efa tsy nisy hanina hoenti-mihiboka ho azy ireo ao an-tanàna, satria taona fampitsaharana ny tany tamin’izay.

50Izany no nahazoan’ny mpanjaka an’i Betsora sy nametrahany miaramila hiambina azy.

51Niorin-toby teo anoloan’ny fitoerana masina izy, naharitra andro maro, ka nanangana tilikambo fandefasam-bato, milina fiadiana, milina fandefasan-java-maranitra mirehitra mbamin’ny vato, maingoka fandefasan-jana-tsipìka, ary antsamotady.

52Ireo nafahy rano koa nanao milina hanoherana ny an’ireto namahy rano, ka nampaharitra ela ny nanoherany azy.

53Nefa tsy nisy hanina tao amin’ny magazày, satria taona faha-7 ny tamin’izay, ary ny sisa napetraka hotahirizina, lanin’ny Israelita izay nandositra tany Jodea, teo anoloan’ny firenena.

54Ka Jody vitsy foana sisa tafajanona tao amin’ny fitoerana masina, fa nihahaka samy nody any aminy avy izy, satria nandroso nandroso teo ihany ny hanoanana.

Ny namelan’ny mpanjaka ny Jody hanaraka ny fivavahany

55Tamin’izany i Filipo, ilay notendren’i Antiôkosy mpanjaka, fony izy mbola velona, hanabe sy hampanjaka an’i Antiôkosy zanany,

56no tonga avy any Persa sy Media, nomban’ny miaramila nanaraka ny mpanjaka, ka nitady handray ny raharaham-panjakana ho eo an-tanany.

57Nony nahare izany vaovao izany i Lisiasa dia tsy nisy nahadòdoka azy intsony afa-tsy ny hiala eo ihany. Hoy izy tamin’ny mpanjaka sy ny lehiben’ny tafika ary ny miaramila: «Isika ity mihena an-toerana isan’andro, ny hanina kely sisa ananantsika, ny toerana ataontsika fahirano voamanda, kanefa ny raharaham-panjakana izao tokony horaharahaintsika.

58Koa ankehitriny, ndao hifandray tanana amin’ireo olona ireo, manaova fanekem-pihavanana aminy sy amin’izy rehetra iray firenena;

59ekeo ny hahazoany manao toe-piainana araka ny lalàny toy ny taloha, fa noho ny amin’ireo lalàna ireo, izay notadiavintsika hofoanana ihany, no nahatezitra azy sy nahavitany izao zavatra rehetra izao.»

60Sitraky ny mpanjaka sy ny mpifehy izany teny izany, ka naniraka olona hanao raharaham-pihavanana amin’izy ireo izy, ary nanaiky izany izy.

61Nankatoavin’ny mpanjaka sy ny mpifehy tamim-pianianana ny fanekena, ka dia nivoaka ny manda ireo natao fahirano.

62Kanjo nony tafiditra tao an-tendrombohitra Siôna ny Mpanjaka, ka nahita izato manda, dia nivadìhany ny fianianana nataony, ka nanome didy handrava ny manda manodidina izy.

63Izay izy dia niainga maika dia maika hiverina ho any Antiôkia, izay nahitany an’i Filipo, efa tonga tompon’ny tanàna, ka niady taminy izy, dia azony ny tanàna.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help