1Ary tonga amin’i Davida tany Hebrôna ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe: «Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay.
2Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»
3Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany, teo anatrehan’i Iaveh, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.
4Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka, ary efapolo taona no andro nanjakany.
5Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana, ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra 33 taona.
Ny nahazoana an’i Jerosalema(Jereo 1Tan 11,4-19)6Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema, hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany. Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: «Tsy ho tafiditra atỳ ianao, fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.» Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.
7Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna: ny tanànan’i Davida izany.
8Ary hoy i Davida tamin’izany andro izany: «Na iza na iza hamely ny Jeboseanina, ka hihazo amin’ny lalan-drano...Fa ny mandringa sy ny jamba koa dia mankahala ny ain’i Davida.» Izany no niavian’ilay fitenenana hoe: tsy ho tafiditra an-trano ny jamba sy ny mandringa.
9Dia niorim-ponenana teo amin’ny toerana mimanda i Davida, ka nataony hoe: Tanànan’i Davida izany. Ary nanorina trano tamin’ny manodidina i Davida hatrany Melaô, mbamin’ny ao anatiny koa.
10Nandroso niha-ambony hatrany hatrany i Davida, ary nomba azy i Iaveh Andriamanitry ny tafika.
(Jereo 1Tan 14,1-2; 1Mpa 5,15)11Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.
12Dia fantatr’i Davida fa naraikitr’i Iaveh ho mpanjakan’i Israely izy, ary ny fanjakany koa nasandrany, noho i Israely vahoakany.
Ireo zanak’i Davida tao Jerosalema(Jereo 1Tan 14,3-7; 2Sam 3,2-5)13Naka vaditsindrano sy vady koa i Davida, tany Jerosalema, nony tonga avy any Hebrôna izy, ka niteraka zazalahy aman-jazavavy indray i Davida.
14Ireto no anaran’ireo naterany tany Jerosalema:
15Samoà, Sôbaba, Natàna, Salômôna, Jebahara,
16Elisoa, Nefega, Jafia, Elisamà, Eliodà, ary Elifaleta.
Fandresena ny Filistinina(Jereo 1Tan 14,8-16)17Ren’ny Filistinina fa hoe nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida ka niakatra nitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida, ka nidina nankao amin’ny toerana mimanda.
18Nony tonga ny Filistinina dia nihahaka teny amin’ny lohasahan’i Refaima.
19Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ary hoy i Iaveh tamin’i Davida: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.»
20Dia nankany Baala-Farasima i Davida ka namely azy tao i Davida, ary hoy izy: «Novakin’i Iaveh teo anoloako toy ny amakian’ny rano ny fefiloha, ny fahavaloko.» Izany no nanaovana an’io toerana io hoe: Baala-Farasima.
21Navelan’izy ireo tao ny sampiny, ka nentin’i Davida sy ny olony.
22Niakatra indray ny Filistinina, ka nihahaka teo amin’ny lohasahan’i Refaima.
23Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, sy novaliany hoe: «Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy dia hirotsaka aminy, avy arỳ amin’ny balsamie, ianao,
24ka nony injay mahare fingodongodonan’olona any an-tendron’ny balsamie ianao dia mameleza faingana, fa amin’izay i Iaveh no hivoaka eo alohanao hamely ny tafiky ny Filistinina.»
25Dia nanao araka izany i Davida, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ka nandresy ny Filistinina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.