Salamo 125 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 125 (Volgata 124)Arovan’Andriamanitra izay mifikitra aminy

1 Fihirana fiakarana.

Izay mitoky amin’i Iaveh,

dia tahaka ny tendrombohitra Siôna:

tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.

2I Jerosalema mirehitra tendrombohitra manodidina azy:

i Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa,

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

3Tsy hitoetra eo amin’ny lovan’ny marina

ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy,

mba tsy hanaingan’ny olo-marina,

ny tanany hanao ratsy koa.

4Iaveh ô, totofy soa ny tsara fanahy,

sy ny mahitsy fo.

5Fa raha ireo mivily amin’ny lala-miolikolika kosa,

aoka izy hafoin’i Iaveh miaraka amin’izay manao ratsy.

Fiadanana anie ho amin’i Israely!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help