1Izao no lalàna sy didy amam-pitsipika nasain’i Iaveh Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo any amin’ny tany halehanareo mba hakanareo azy ho fanananareo;
2mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ka hitandrina ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao, ka hohalavaina ny andronao.
3Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, araka ny nolazain’i Iaveh Andriamanitry ny razanao anao.
4Mihainoa, ry Israely: I Iaveh Andriamanitsika, dia Izy ihany no Iaveh.
5Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
6Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao.
7Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.
8Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao.
9Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao.
10Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanareo, homena anao, tanàna sady soa no lehibe tsy nahorinao,
11trano feno zava-tsoa isan-karazany tsy nofenoinao, dobo famorian-drano tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr’ôliva tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky ianao;
12ka tandremo fandrao manadino an’i Iaveh izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
13Matahora an’i Iaveh Andriamanitrao, manompoa Azy ary aoka ny Anarany no hianiananao.
Aza mivadika amin’i Iaveh14«Aza manaraka andriamani-kafa, amin’izay andriamanitry ny firenena hanodidina anareo.
15Fa i Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan’ny fahatezeran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, sy hofongarany eto ambonin’ny tany.
16«Aza maka fanahy an’i Iaveh Andriamanitrareo, tahaka ny nakanareo fanahy Azy tany Masah.
17Tandremo tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo, ny lalàna amam-pitsipika nandidiany anareo.
18Ny mahitsy sy tsara eo imason’i Iaveh no ataovy, mba ho sambatra ianao sy hiditra ao amin’ny tany soa izay nampanantenain’i Iaveh ny razanao tamim-pianianana mba hanananao azy,
19rehefa voaroakany eo anoloanao, araka ny voalazan’i Iaveh, ny fahavalonao.
20«Raha manontany anao ny zanakao, indray andro any, manao hoe: Ahoana moa ny amin’ireo didy sy lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh Andriamanitsika anareo ireo?
21dia lazao amin’ny zanakao hoe: Andevon’i Faraôna tany Ejipta izahay; ary tanana mahery no nitondran’i Iaveh anay nivoaka avy tany Ejipta;
22fahagagana amam-pamantarana lehibe sy mandoza no nataon’i Iaveh, namelezany an’i Ejipta sy i Faraôna mbamin’ny ankohonany rehetra, teo imasonay;
23ka Izy no nampivoaka anay avy tany, dia ny mba hitondrany anay amin’ny tany nampanantenainy ny razantsika tamim-pianianana,
24ary i Iaveh nandidy antsika hanaraka izany didy rehetra izany, sy hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika mba ho sambatra mandrakariva isika, sy hitahirizany antsika ho velona, araka izao ankehitriny izao.
25Ho fahamarinana ho antsika izany, raha mitandrina hanaraka ireo didy rehetra ireo isika eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika, araka ny nandidiany antsika.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.