1Izao no lazain’i Iaveh:
Indro hohetsehiko hamely an’i Babela
sy hamely ny mponina amin’i Kaldea
ilay fanahy mpandringana.
2Ary handefa mpanakororòka hikororòka an’i Babela Aho
ka hataony foana ny tany
fa hiantoraka hamely azy hatraiza hatraiza ireo,
amin’ny andro fahoriana.
3Aoka ny mpandefa tsipìka hanenjana ny tsipìkany,
hamely ny mpandefa tsipìka
mbamin’izay miedinedina amin’ny akanjo fiarovan-tratrany.
Aza mitsitsy ny zatovony,
aringano avokoa ny tafiny rehetra.
4Aoka hisy maratra ho faty, lavo amin’ny tanin’ny Kaldeanina,
ary voatrobaka eny an-dalamben’i Babela.
5Satria i Israely sy i Jodà tsy mba maty vady
manana ny Andriamaniny, Iavehn’ny tafika;
ary ny tanin’ny Kaldeanina feno ny ratsy nataony
tamin’ilay Masin’i Israely.
6Mandosira lavitra an’i Babilôna ianareo,
ary samia mamonjy ny ainy!
Aoka tsy ho faty noho ny fahotany ianareo
fa andro famalian’i Iaveh izao;
ka hamaly azy araka izay mendrika azy izy.
7Kapoaka volamena teny an-tanan’i Iaveh i Babela,
nahamamo ny tany rehetra izy;
nisotro ny divainy ny firenena
ka tonga mibedibedy foana ny firenena.
8Nianjera tampoka anefa i Babela, ka torotoro;
migogogogoa azy; makà diloilo manitra hatao amin’ny feriny;
angamba ho sitrana ihany izy.
9Efa nitady hanasitrana an’i Babela isika,
nefa tsy sitrana izy;
ka avelao izy, fa andao isika ho any amin’ny tanintsika avy.
Satria mahatakatra ny lanitra ny fitsarana azy,
sy tafapaka hatrany amin’ny rahona.
10Nahariharin’i Iaveh ny mahamarina ny antsika,
ka andeha isika dia hitantara, any Siôna,
ny asan’i Iaveh Andriamanitsika.
11Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo!
Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh;
fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy.
Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh
dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.
12Manangàna faneva hamely ny mandan’i Babilôna,
ataovy mafy ny fahirano; alatsaho ny mpiambina;
manaova otrika!
Fa nanao hevitra i Iaveh,
ka dia manatanteraka izay voalazany hamelezany ny mponina ao Babela.
13Ry ilay monina amoron’ny rano be,
sady be rakitra ô,
tonga ny fiafaranao; tapitra ny fotoana firembenao.
14Efa nianiana tamin’ny Tenany i Iavehn’ny tafika, nanao hoe:
Hofenoiko olona hoatra ny valala ianao!
ary hanao hobim-pandresena eo aminao ireny. b
15Izy no nahary ny tany tamin’ny heriny;
nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny;
ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahalalany.
16Amin’ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra;
mampiakatra ny rahona avy amin’ny faran’ny tany Izy,
mampamirapiratra hela-baratra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra,
ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fanangonany azy.
17Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona;
menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny,
satria fitaka foana ny sampiny
fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny.
18Zava-poana ireny, asa mamitaka foana;
ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.
19Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba;
fa namorona izao tontolo izao izy;
ary ny anjara lovany
dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika.
Ny marotòn’i Iaveh sy ilay tendrombohitra goavana20Ianao no ataoko fampohaza, ataoko fiadiana:
ianao no anorotoroako firenena;
ianao no andravako fanjakana;
21ianao no anorotoroako ny soavaly ama-mpitaingina azy;
ianao no anorotoroako ny kalesy ama-mpitaingina azy.
22Ianao no anorotoroako ny lehilahy amam-behivavy,
Ianao no anorotoroako ny anti-dahy sy ny zaza;
ianao no anorotoroako ny zatovo lahy aman-jatovo vavy.
23Ianao no anorotoroako ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny;
ianao no anorotoroako ny mpiasa tany sy ny omby entiny miasa;
ianao no anorotoroako ny governora ama-mpanjaka.
24Nefa hafotitro amin’i Babilôna
mbamin’ny mponina rehetra any Kaldea
ny ratsy rehetra nataony tao Siôna
teo imasonareo, - teny marin’i Iaveh. -
25Indro Aho manohitra anao, ry tendrombohitry ny fandravana,
- teny marin’i Iaveh, -
izay mandrava ny tany rehetra;
maninjitra ny tanako hamely anao Aho,
dia manakodia anao avy eny ambony harambato,
sy mahatonga anao ho tendrombohitra kila.
26Tsy hakana vato fehizoro ianao na vato fanorenana;
fa ho zava-drava mandrakizay,
- teny marin’i Iaveh. -
Madiva ny farany27Manangàna saina, amin’ny tany;
mitsofa anjomara, amin’ny firenena;
manokàna firenena hamely azy;
miantsoa hamely azy ny fanjakan’i Ararata
sy Meni ary Askeneza.
Manendre ny filohan’ny tafika hamely azy;
mandefasa ny soavaly toy ny valala mitsangam-bolo.
28Manokàna firenena hamely azy,
dia ireo mpanjakan’i Media, ny kapiteniny ama-mpanapaka,
sy ny tany rehetra izay tapahiny.
29Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy,
fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela,
mba hanova ny tanin’i Babela
ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.
30Ireo lehilahy maherin’i Babela nitsahatra tsy niady;
mihiboka ao anaty trano mimanda;
lany ny heriny, tonga toy ny vehivavy izy;
nodorana ny fonenany;
notapahina ny hidim-bavahadiny.
31Mihorakoraka ny tsimandoa hifanena amin’ny tsimandoa,
ary ny iraka hifanena amin’ny iraka;
hilaza amin’ny mpanjakan’i Babilôna,
fa afaky ny fahavalo ny tanànany avy hatraiza hatraiza.
32Ny fitàna efa voatana;
ny heniheny doroana amin’ny afo,
ary ny lehilahy mpiady efa kivy erỳ!
33Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,
Andriamanitr’i Israely:
Ny zanaka vavin’i Babela dia toy ny famoloana
amin’ny fotoana fanosena azy,
ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy,
ny andro fararano.
Famaliana ataon’i Iaveh34Nandany ahy, nandevona ahy,
i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela;
nampitsatoka ahy teo, toy ny vazy foana,
nitelina ahy, toy ny dragona;
nameno ny kibony, tamin’ny nahandroko tsara indrindra,
dia nandroaka ahy.
35«Hanody an’i Babela anie ny nofoko rotika!»
no holazain’ny mponina ao Siôna;
«hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!»
no ho tenin’i Jerosalema.
36Koa izao no lazain’i Iaveh:
Indro fa izaho mandray ny adinao, hiandraikitra azy,
ary manatanteraka ny valim-bonoana ho anao:
Ka horitiko ny ranomasiny,
hataoko tankina ny loharanony.
37Ary i Babela dia ho korontam-bato,
ho fieren’amboadia,
ho fampitahorana sy fanesoana,
tsy hisy mponina.
38Indray mitrerona hoatra ny liona izy rehetra;
sy mikaonkaona toa zana-diombavy.
39Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro,
ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin’ny fifaliana:
dia ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay,
sy tsy hahatsiaro intsony; - teny marin’i Iaveh. -
40Hampidiniko ho any amin’ny famonoana, toy ny zanak’omby, izy,
toy ny ondralahy aman’osy lahy.
Tononkalo fisaonana an’i Babilôna41Manao ahoana no nahafahana an’i Sesàka,
sy nahazoana an’ilay fireharehan’ny tany rehetra?
Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana,
i Babela, eo amin’ny firenena?
42Nisondrotan’ny ranomasin’i Babela,
nosaforany tamin’ny onjany mirohondrohona.
43Ny tanànany zary zavatra fampitahorana,
tany lao sy efitra;
tany tsy misy zanak’olombelona mandalo akory.
Famangian’i Iaveh an’ireo sampy44Hamangy an’i Bela ao Babela Aho:
Ka izay nateliny, hotosahako avy eo am-bavany,
ary ny firenena, tsy hitanjozotra ho ao aminy intsony.
Ny mandan’i Babela aza, nirodana.
45Mivoaha hiala ao aminy, ry oloko,
ary samia mamonjy ny ainareo,
eo anatrehan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.
46Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra,
noho ny tsaho izay ho re honohono amin’ny tany!
Fa hisy tsaho hitranga amin’ny taona iray,
ary hisy tsaho hafa kosa, amin’ny taona manaraka izay;
dia hisy fifamelezana mafy amin’ny tany,
mpanapaka manao jadona mifanohitra.
47Koa indro, avy ny andro,
hamangiako ny sampin’i Babela;
dia hangaihay ny taniny rehetra,
ary ho lavo eo aminy avokoa ny voavono ao aminy.
48Ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,
hanao hobin-kafaliana, noho ny amin’i Babela;
satria hiantontàn’ireo mpandringana, avy any amin’ny tany avaratra izy,
- teny marin’i Iaveh. -
49Tsy maintsy ho lavo i Babela, ry ilay maty amin’i Israely,
toy ny nahalavoan’ireo maty eran’ny tany ho an’i Babela.
50Ianareo nieren’ny sabatra, miaingà,
fa aza mijanona!
Mahatsiarova an’i Iaveh any an-tany lavitra,
ary aoka ho velona ao am-ponareo ny fiheverana an’i Jerosalema!
51Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka;
safo-kenatra ny tarehinay,
fa ny hafa firenena no tonga,
nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon’i Iaveh.
52Koa indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, -
hamangiako ny sampiny,
ka hitoloko eran’ny taniny rehetra ny vonoina ho faty.
53Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela,
na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo,
dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko,
- teny marin’i Iaveh. -
54Injany misy horakoraka manako any amin’i Babela any:
loza lehibe any amin’ny Kaldeanina!
55Fa mandrava an’i Babela i Iaveh,
ka ataony mitsahatra ny tabatabany maresaka;
mirohondrohona hoatra ny ranobe ny onjan’izy ireo,
dia mandefa ny feon’ny firohondrohony.
56Satria tonga namely azy ny mpandrava, -
namely an’i Babela; -
voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany;
fa Andriamanitry ny famaliana i Iaveh,
dia hamaly marina tokoa izy!
57Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny,
ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny,
ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo,
dia tsy hifoha intsony, - teny marin’ny Mpanjaka, -
izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
Fongotra i Babilôna58Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Efa voafongotra mihitsy ny mandan’i Babela malalaka be;
ary voadotra ny vavahadiny avo be.
Ka dia zava-poana izany no isasaran’ny vahoaka,
ho an’ny afo no hisasaran’ny firenena, ka lany hery foana amin’izany izy.
Tenin’Andriamanitra mamely an’i Eofrata59Didy nomen’i Jeremia mpaminany, an’i Saraiasa zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilôna, niaraka tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Saraiasa no lehiben’ny tao an-dain’ny mpanjaka.
60Nosoratan’i Jeremia tamin’ny boky iray avokoa, ny loza hanjò an’i Babilôna, dia ireo teny rehetra voasoratra ny amin’ny Babilôna ireo.
61Ary hoy i Jeremia tamin’i Saraiasa: Rehefa tonga any Babilôna ianao dia tandremo ny mba hamaky ireo teny ireo, dia ataovy hoe:
62I Iaveh no nilaza ny amin’ity fitoerana ity fa horavana izy, ka tsy hisy honina eto intsony, na olona na biby, fa ho tany maty mandrakizay izy!
63Ary rehefa tapitra ny famakiako ity boky ity, dia asio vato mifehy aminy, ka atsipazo any afovoan’i Eofrata any izy,
64sy ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’i Babilôna, sy tsy hifongarany intsony, avy amin’ny loza hahàtrako aminy, fa ho lavo lany hery izy.
Hatreo ny tenin’i Jeremia.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.