Salamo 147 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 147 (Volgata 146-147)Antsa ho an’ilay mahefaAleloia!

1Miderà an’i Iaveh,

fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika,

2Manangana an’i Jerosalema indray i Iaveh,

angoniny ireo tafaely avy tamin’i Israely.

3sitraniny ireo torotoro fo,

ary feheziny ny ferin’izy ireo.

4Manisa ny isan’ny kintana Izy,

ary tononiny samy amin’ny anarany avy izy rehetra.

5Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny;

sady tsy manam-petra ny fahalalany.

6Manati-bonjy ho an’ny manetry tena i Iaveh,

fa manetry ny ratsy fanahy amin’ny tany kosa.

7Manaova hira fisaorana ho an’i Iaveh;

mankalazà ny Andriamanitsika amin’ny harpa!

8Fa saronany rahona ny lanitra,

ary ny tany amonònany ranonorana;

mampaniry ahitra ny tendrombohitra Izy.

9Manome hanina ny biby fiompy

sy ny zana-goaika mitaraina aminy Izy.

10Tsy ny herin’ny soavaly no ankasitrahiny,

na ny tongotr’olombelona no mahafinaritra Azy,

11fa ny fankasitrahan’i Iaveh dia ireo matahotra Azy,

ireo manantena ny hatsaram-pony.

12Ry Jerosalema ô, mankalazà an’i Iaveh,

ry Siôna ô, miderà ny Andriamanitrao.

13Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao,

hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.

14Ataony mandry feizay ny vava taninao,

vokisany vary tsara indrindra ianao.

15Mandefa ny teniny ho amin’ny tany Izy,

faingana dia faingana ny fandehan’ny teniny.

16Mandatsaka oram-panala, tahaka ny volon’ondry izy,

ary mandraraka fanala tahaka ny lavenona.

17Atsipiny am-bakivàkiny ny vongan-dranomandriny,

ka zovy no mahatoha ny hatsîakany?

18Mandefa ny teniny Izy, dia mampiempo an’ireny,

mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.

19Izy no nanambara ny teniny tamin’i Jakôba,

sy ny didiny amam-pitsipiny tamin’i Israely.

20Tsy mba nanao toy izany tamin’ny firenena hafa rehetra Izy,

ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny.

Aeloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help