1 Salamon’i Davida.
An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy,
izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.
2Fa Izy no nanorina azy, tambonin’ny ranomasina;
sy nampitoetra azy tambonin’ny ony.
3Iza no hiakatra any amin’ny tendrombohitr’i Iaveh?
iza no hitoetra eo amin’ny fitoerany masina?
4Izay tsy manan-tsiny ny tanany, ary madio ny fony,
izay tsy manarana ny fanahiny amin’ny lainga,
ary tsy mianiana mba hamitaka.
5Hahazo ny fanambinan’i Iaveh izy,
ny fahamarinana avy amin’ny Tompon’ny famonjeny.
6Toy izany ny taranak’izay mitady Azy,
dia ireo mitady ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba.
- Selà
7Asandrato ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata ianareo, ry varavarana fahagola,
hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra.
8Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany?
I Iaveh mahery sy mahefa,
I Iaveh mahery an’ady.
9Asandrato ny tataonareo, ry vavahady;
misandrata ianareo, ry varavarana fahagola
hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!
10Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany?
I Iavehn’ny tafika,
Izy no Mpanjakan’ny voninahitra!
- Selà
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.