Salamo 76 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 76 (Volgata 75)Fiderana an’Andriamanitra mahatahotra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin’ny zava-maneno tendrena. Salamon’i Asafa. Fihirana.

2Nilaza tena teo amin’i Jodà Andriamanitra,

malaza eo amin’i Israely ny Anarany.

3Ao Salema ny tabernaklany,

ary ao Siôna ny fonenany.

4Teo Izy no nanapatapaka ny tsipìka manelatra,

ny ampinga, ny sabatra, ary ny ady.

- Selà

5Mamirapiratra Ianao, eo amin’ny fiandriananao,

eo an-tendrombohitra iantorahanao amin’ny rembinao.

6Voababo ireo malaza be herim-po;

renoky ny torimasony izy ireo,

tsy nahay nampiasa ny tanany ireo olo-mahery.

7Vao nanambana Ianao, ry Andriamanitr’i Jakôba,

dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.

8Eny, mahatahotra Ianao!

Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao!

9Namoaka didim-pitsarana avy any an-tampon’ny lanitra Ianao;

nihorohoro sy nangina ny tany,

10nony nitsangana hitsara Andriamanitra;

sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany.

- Selà

11Ka dia hody voninahitra ny fisafoaky ny olombelona,

sy ny sisam-pahatezerany.

12Manaova voady ianareo,

ka efao amin’i Iaveh Andriamanitra izany,

aoka hitondra fanatitra ho an’Andriamanitra mahatahotra,

izay rehetra manodidina azy.

13Manongana ny reharehan’ny manam-pahefana Izy,

ary mahatahotra ny mpanjakan’ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help