Mpitsara 5 - Malagasy Catholic Bible

TONONKIRAN’I DEBORA SY I BARAKA

1Tamin’izany andro izany dia nihira i Debôrà sy i Baràka zanak’i Abinôema nanao hoe:

2«Nitsangana hitarika ny lehibe ao amin’i Israely;

ny vahoaka nanolo-tena an-tsitrapo hiady;

ka misaora an’i Iaveh amin’izany ianareo!

3Mihainoa, ry mpanjaka, mampandria sofina, ry mpanjaka:

fa izaho dia izaho no hidera an’i Iaveh amin’ny hira,

hilaza hira ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho.

4Iaveh ô, fony ianao nivoaka avy any Seira,

nony nandroso avy any an-tsahan’i Edôma,

nihorohoro ny tany, ny lanitra aza nitsonika,

ary nitsonika ho rano ny rahona.

5Nihozongozona teo anatrehan’i Iaveh ny tendrombohitra,

dia io Sinaia io teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

6Tamin’ny andron’i Simagara, zanak’i Amata,

tamin’ny andron’i Jahela ny lalam-be tsy nodiavina,

fa ny sakeli-dalana mihodivitra no nomban’ny mpandeha.

7Lao ny tany an-tsahan’i Israely,

mandra-pitsangako, izaho Debôrà,

mandra-pitsangako izaho reny teo amin’i Israely.

8Fa nifidy andriamani-baovao ny olona,

ka nitsidika eo am-bavahady ny ady,

ary ny ampinga aman-defona tsy nisy hita,

teo amin’ny olona efatra alina, amin’i Israely.

9Miantoraka amin’ny mpitondra an’i Israely ny foko

sy amin’ny vahoaka anisan’ny nanolo-tena: Misaora an’i Iaveh!

10Ianareo izay mitaingina ampondravavy fotsy,

ianareo izay mipetraka amin’ny karipetra,

ary ianareo izay mizotra eny an-dalana, mihirà ianareo.

11Aoka ny mpandefa zana-tsipîka eo akaikin’ny rano fisotroam-biby,

hankalaza amin’ny feony ny fahamarinan’i Iaveh,

dia ny fahamarinana nataony tamin’ny taniny, ao amin’i Israely!

Tamin’izay ny vahoakan’i Iaveh nidina ho eny am-bavahadiny.

12Mifohaza, mifohaza, ry Debôrà,

mifohaza, mifohaza ka manaova hira anankiray!

mitsangàna, ry Baràka, sambory izay ho babonao,

ry zanak’i Abineômo.

13Midìna amin’izay ny sisan’ny andriana amin’ny vahoaka!

Midìna ho atỳ amiko, Iaveh, eo amin’ireo olo-mahery!

14Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka;

nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao;

avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina,

avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.

15Miakara amin’i Debôrà, ny andrian’i Isakara,

eo anilan’i Baràka i Isakara,

teo an-tany lemaka dia voairaka hanaraka azy izy.

Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena,

nisy fikasana lehibe tao am-po:

16Nahoana no nijanona teo afovoan’ny tanimbolinao ianao,

nihaino ny feon-tsodin’ny mpiandry ondrinao?

Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena

nisy fikasana lehibe tao am-po.

17I Galaada tsy nandao ny fonenany tany an-dafin’i Jordany;

ary i Dana, nahoana no nitoetra tao an-tsambony?

I Asera nijanona tsy nihetsika akory teo amoron-dranomasina;

teo am-pitodian-tsambony no nijanonany.

18Fa i Zabolôna no firenena manao vy very ny ainy;

torak’izany koa i Neftalì eo amin’ny havoany marin-tampona.

19Tonga ireo mpanjaka ka nandrafitra ady izy ireo,

nandrafitra ady tamin’izay ireo mpanjakan’i Kanaana,

dia tao Tanàka teo amoron’ny ranon’i Magedao,

fa tsy nahazo na dia akoram-bolafotsy iray aza.

20Ny tany an-danitra no niady ho antsika,

ny kintana tamin’ny lalana ombany no niady tamin’i Sisarà.

21Ny ranon-driaka Sisaona no nanakodia ny fatin’ireny,

dia ny ranon-driaka tamin’ny andro fahagola, ny ranon-driaka Sisôna.

Mandrosoa an-kasahiana, ry fanahiko ô!

22Nikatrokatroka tamin’izay ny kitron’ny soavaly,

tamin’ny hazakazaka, dia ny firiotran’ny mpiadiny,

23Ozòny i Mezôra, hoy ny Anjelin’i Iaveh,

Ozòny dia ozòny ny mponina ao!

Fa tsy mba tonga hanampy an’i Iaveh ireny,

fa tsy nanampy an’i Iaveh ireny niaraka tamin’ny mahery.

24Hosoavina noho ny vehivavy i Jahela vadin’i Hebera, Kineanina;

hosoavina noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.

25Rano no nangatahiny, ronono no nomeny azy;

ronono tsy misy fangarony no natolony tamin’ny kopy mihaja.

26Ny tanany anila mandray ny tsima-day,

ary ny tanany havanana ny tantanan’ny mpiasa.

Dia asiany i Sisarà, vakìny ny lohany;

torotoroiny, gorobahany ny fihirifany.

27Miretaka eo an-tongony, lavo miampatra izy;

miretaka eo an-tongony lavo izy,

ary eo amin’izay iretahany ihany, no itsirany tsy misy aina intsony.

28Eo am-baravarankely amin’ny makarakara,

no mijery ny renin’i Sisarà sady mikiakiaka:

‹Nahoana izato kalesiny no dia ela fiavy?

Nahoana izato saretiny no dia miadam-pandeha?›

29Ny mahira-tsaina amin’ny andriambavy tandapany no mamaly azy;

ary ny tenin’ireo no averiny ao am-pony:

30Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo?

Zazavavy iray, zazavavy roa ho an’ny isa-mpiady;

lamba misoratsoratra ho babon’i Sisarà;

lamba samihafa soratra ho babo,

lamba misoratsoratra iray, lamba roa samy hafa soratra

ho eo an-tsoroky ny vavy.

31Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Iaveh ô,

ary izay tia Anao kosa, hanahaka ny masoandro

raha ilay miposaka amin’ny heriny izy!»

32Dia nandry efapolo taona ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help