Salamo 39 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 39 (Volgata 38)Tsinontsinona ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira, ho an’i Iditona. Hiran’i Davida.

2Hoy aho: «Hitandrina ny lalako aho,

sao manota amin’ny lelako.

Asiako hidiny ny vavako,

dieny mbola eo anatrehako koa ny ratsy fanahy.»

3Dia lasan-ko moana aho tanatin’ny fanginana,

nangina aho na dia voaesotra amiko aza ny fananana rehetra.

Kanjo nihetsika ny fanaintainako,

4nirehitra tato anatiko ny foko;

tamin’ny fieritreretako dia nisy afo nirehitra,

ka tonga teo amin’ny lelako ny teny.

5Ry Iaveh ô, ampahafantaro ahy ny fara andro hiainako,

dia ny fetry ny androko,

hahafantarako ny maha-mora levona ahy.

6Nataonao vody voampelatanana monja ny androko;

ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako.

Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona.

- Selà

7Eny, mandalo toy ny aloka ny olona;

eny, tsy misy asany ny fikofokofohany;

manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.

8Ankehitriny, Tompo ô, inona no azoko antenaina?

Ao aminao ny fanantenako!

9Afaho amin’ny fahadisoako rehetra aho;

aza atao ho fandàtsan’ny adala aho.

10Mangina tsy miloa-bava aho;

fa Ianao no manao izao.

11Avilio tsy hihatra amiko ny fikapohanao:

fa reraka aho, azon’ny hamafin’ny famelezan’ny tananao.

12Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao,

dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao.

Eny, tso-drivotra foana ny olombelona.

- Selà

13Henoy ny fivavahako, ry Iaveh ô,

atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako,

aza dia tsy mihontsina amin’ny fitomaniako!

Fa vahiny ao aminao aho,

mpivahiny toy ny razako rehetra.

14Avilio tsy hijery ahy ny masonao, ka avelao mba hisy hiainako,

alohan’ny hahalasanako, ka tsy ho velona intsony aho!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help