1Izaho anti-dahy, mamangy an’Itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako araka ny marina - ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa, -
2noho ny fahamarinana izay mitoetra ao amintsika sy ho ao amintsika mandrakizay:
3ho ao amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana, avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy Zanaky ny Ray!
Ny didy fitiavana4Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
5Ary ankehitriny mihanta aminao aho, Tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika.
6Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin’ny fitiavana.
Ireo mpanohitra an’i Kristy7Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.
8Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.
9Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra; fa izay mitoetra amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mitondra izao fampianarana izao, dia aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory.
11Fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.
Famaranana12Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho fa tsy tiako atao an-taratasy na amin’ny ranomainty izany, fa ho any aminareo aho, ka dia hiteny mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafalianareo.
13Manao veloma anao ny zanaky ny rahavavinao voafidy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.