1Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Ho fampahatsiarovana.
2Ry Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy!
Tompo ô, faingàna hamonjy ahy!
3Aoka ho menatra sy hangaihay,
izay mitady ny aiko!
Aoka hihemotra sy ho menatra,
izay maniry hahavery ahy!
4Aoka hianòtra azon’ny henatra,
izay manao hoe: «Hia! Hia!»
5Aoka hifaly sy hiravoravo aminao kosa,
ireo mitady Anao!
Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’Andriamanitra!»
izay tia ny famonjenao.
6Ary izaho ity, malahelo sy mahantra,
ka faingàna hankatỳ amiko, ry Andriamanitra!
Fa Ianao no mpamonjy sy mpanafaka ahy.
Aza ela, ry Iaveh!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.