Malakia 1 - Malagasy Catholic Bible

1Teny fitsarana. Tenin’i Iaveh ho an’i Israely amin’ny alalan’i Malakia.

Fitiavan’i Iaveh an’i Israely

2«Efa tia anao Aho, hoy i Iaveh; ary hoy ianareo: ‹Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin’i Jakôba va i Esao?› - teny marin’i Iaveh; - nefa i Jakôba no tiako; fa i Esao hàlako;

3ka ny tendrombohiny nataoko lao; ary ny lovany natolotro ny amboadia any an’efitra.

4Raha lazain’i Edôma ataony hoe: ‹Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray,› - dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Izy ireo hanorina; Izaho kosa handrava›; ka izao no ho filazan’ny olona azy: ‹Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran’i Iaveh mandrakizay.›

5Hahita maso izany ianareo, ka hifampilaza hoe: Hankalazaina anie i Iaveh eo amin’ny tanin’i Israely!»

Fikizakizahana an’ireo mpisorona

6Ny zanaka manaja ny rainy, ny mpanompo manaja ny tompony. Koa raha Ray Aho, aiza izay hajako? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy i Iavehn’ny tafika aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny Anarako. Hoy ianareo:

7Tamin’ny inona no nanamavoanay ny Anaranao? - Amin’ny fitondranareo mofo voaloto eo amin’ny ôteliko. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nandotoanay Anao? - Amin’ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatr’i Iaveh.

8Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin’ny governoranao e! Hahazo sitraka aminy va ianao; hahita fitia aminy ianao? hoy i Iavehn’ny tafika.

9Ary ankehitriny mifonà amin’Andriamanitra hamindra fo aminareo! Ny tananareo no nahatongavan’izany; moa ho voataonanareo hitsimbina va izy? hoy i Iavehn’ny tafika.

10Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.

11Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.

12Ianareo kosa anefa mandoto azy, amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Iaveh, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona.

13Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh.

14Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manana ondralahy eo amin’ny andian’ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin’ny firenena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help